Fanatajahantena

Jiu-jitsu- Open Africa: Nandrombaka medaly volamena 20 i Madagasikara

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tany amin’ny nosy Maorisy, ny fifaninanana “Open Africa”, taranja Jiu-jitsu Breziliana. Nandrombaka medaly volamena 20 be izao i Madagasikara. Namiratra tanteraka ny Malagasy mpikatroka, nisolo tena an’i Mada­gasikara, niatrika ny fifaninanana “Open Africa”, notanterahina tany Maorisy, ny faran’ny herinandro teo. Medaly volamena 20, volafotsy 6 […]

Randriamalala Jean Yves: Maniry ny ho lasa mpilalao milaravinahitra any ivelany

Nifarana tanteraka ny 13 avrily teo ny dian’ny Makis Sevens, tany Pologne, nahazo ny laharana fahadimy ny Malagasy. Anisan’ireo mpilalao mendrika nandritra iny fifanintsanana iny i Jean Yves, Malagasy mpilalao. Anisan’ireo mpilalaon’ny Makis Sevens nisongadina hatrany tamin’ny fifaninanana rugby lalaovin’olona fito, “Challenger Series”, izay natao tany Krakow, Pologne, Randriamalala Jean […]

SOMBIM-BAOVAO

Nandrombaka medaly volamena 2 sy volafotsy 7 ny atleta malagasy 3 mianadahy, i Fabia, i Avotra ary i Antonio, nandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taranja fibatana fonjamby, natao tany Maorisy, tamin’ity herinandro ity. Teo amin’ny sokajy Seniors no nifaninanan’izy ireo. Nahomby ny “stage de recyclage”, taranja Muay, notontosaina, omaly, […]

Karate – Analamanga  : Hanohy ny ezaka hampisongadina ny atleta

Hanokatra ny taom-pikatrohana 2015, ny 3 mey izao, amin’ny alalan’ny “randonnée”, ny eo anivon’ny ligin’­ Analamanga ny taranja karate. Raha ny mahazatra isan-taona, fifaninanana hatrany no nanombohana ny taona, fa amin’ity kosa hiverina andoharano, izany hoe, hanome lanja ny fanabeazana ny ligin’­ Analamanga taranja karate. Izany indrindra no anton’ity hetsika […]

Barea : Hanoman-tena any Frantsa

Araka ny siosion-dresaka mandeha amin’izao fotoana izao, hanao lalao ara-pirahalahiana any Frantsa, ny Barea ny volana jona. Ankoatra ny Repoblika Demokratikan’i Congo (RDC), iray amin’i Guinee Bissau sy i Congo Brazzaville no hifanandrina amin’ny Barea, raha tsy misy ny fiovana farany. Tsy mbola misy ny fanambarana ofisialy nataon’ny Federasionina malagasin’ny […]