Fanatajahantena

Fonjamby – Tompondakan’i Afrika : Namiratra ireo taninketsa niatrika ny fifaninanana

Tafaverina eto an-tanindrazana, ny alatsinainy hariva teo, ny delegasionina malagasy avy niatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika seniors tany Maorisy, taranja fibatana fonjamby. Toy ny efa nahafantarana azy hatramin’izay, namiratra indray ireo atleta malagasy tamin’izany, izay nandrombaka medaly 9 be izao. Mbola voatazona ny toerana misy antsika, hoy ny mpanazatra […]

« World Cola PFL » : Mbola baraingo ny tohin’ny fifaninanana

Nahemotra indray ny tohin’ny fifaninanam-pirenena taranja baolina kitra, “World Cola PFL”. Hatreto, tsy mbola misy ny daty ofisialy hitohizan’ity fifanintsanana ity, amin’izao fotoana izao. Araka ny loharanom-baovao voaray, nisy ny fivoriana nataon’ireo mpikambana amin’ny CFEM sy ny Federasionina malagasin’ny Baolina kitra (FMF), omaly, tetsy Isoraka. Hiresaka sy handinika ny mahakasika […]

Tsipy kanetibe – «Tournoi des champions» : Hahazo 4 tapitrisa Ariary izay voalohany

Hianoka fetiben’ny tsipy kanetibe indray ny mpankafy amin’ny volana mey ho avy izao. Ankoatra ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, hisy koa ny « Tournoi des champions », hahazoana lelavola an-tapitrisany sy amboara. Hifaninana amin’izany avokoa ireo mpilalao rehetra. Hotanterahina ny sabotsy 24 sy ny alahady 25 mey ho avy izao, […]

SOMBIM-BAOVAO

Voahosotra ho klioba mendrika indrindra, ny Checkmat, nandritra ny fifaninanana « Grappling Winter Tournament », Jiu-jitsu, natao teny amin’ny Lapan’ny fa­na­tanjahantena Mahamasina, ny faran’ny herinandro teo. Nahazo ny « fair-play » kosa, ny Icon JJB avy any La Réunion, izay tonga teto Madagasikara niatrika ity fifaninanana nokarakarain’ny JJB Attila ity. Hiditra amin’ny andro fahatelo […]

Muay Thai-Mada 2025: Niakatra ny haavo teknikan’ny mpikatroka

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tao amin’ny efitranokely, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahama­sina, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja Muay Thai, ho an’ny taona 2025. Mpikatroka 120 no tonga namaly ny antso avy amin’ny ligin’i Vakinankaratra, Mahanoro, Atsinanana ary Analamanga. Nambaran’ny filohan’ ny Federasionina malagasin’ny Muay Thai, Rako­toalizao Hainatiana Gervais, […]