Fanatajahantena

Atletisma – Cross country : ho any Chili i Jean-Claude

Tontosa ny sabotsy lasa teo, teny amin’ny bout de piste Ivato, ny hazakazaka cross country, nifantenana izay hi­solo tena an’i Madagasikara, amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany 2024. Nandrombaka ny fandresena Rakotonirina Jean-claude, atle­ta avy amin’ny Crown Vakinankaratra, rehefa nahatontosa ny hazakazaka tao anatin’ny fe-potoana, 33 mn 09 s 3%. […]

« Grand Tournoi d’Antananarivo »: norombahin’ny Disciples FC ny lelavola 20 tapitrisa Ar

Nifarana ny alahady lasa teo, teny amin’ny Kianjan’ny Elgeco Plus, ny fifaninanana “Grand Tournoi d’Antananarivo (GTA)”. Nalain’ny Disciples FC Vakinankaratra ny volabe. Notanterahina omaly, teny amin’ny kianjan’ny Elgeco Plus By Pass, ny lalao famaranana, fifaninanana “Grand Tournoi d’Antananarivo (GTA)”, taranja baolina kitra. Azon’ny Disciples FC Vakinankaratra « PFL », ny lelavola 20 […]

« Grand Tournoi d’Antananarivo » : hanao famaranana ny Disciples FC sy ny US Pro

Hotanterahina rahampitso, eny amin’ny kianjan’ny Elgeco Plus By Pass, ny lalao famaranana, fifaninanana “Grand Tournoi d’Antananarivo (GTA)”, taranja baolina kitra. Hiady ny amboara lehibe sy ny lelavola 20 tapitrisa Ar amin’izany ny US Pro Analamanga sy ny Disciples FC. Tsiahivina fa ny ekipan’ny Disciples FC nanilika ny Ajesaia, tamin’ny isa […]

Judo 2024 : hanjaka ny fifaninanana iraisam-pirenena

Feno tanteraka ny fandaharam-potoanan’ny federasiona malagasin’ny judo, amin’ity taom-pikatrohana 2024 ity, indrindra ny eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Maromaro ny fifaninanana iraisam-pirenena hatrehina. Hisantarana izany ny “Tournoi international de Maurice”, eo amin’ny sokajy Minimes, Cadets ary Seniors. Fifaninanana hotanterahina ny 20 sy 21 janoary izao. Aorian’izay, hisy ny “Open international Saint […]

Kitra – Can 2024: hanohitra an’i Côte d’Ivoire i Guinée Bissau

Hanamarika ity anio ity ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika ho an’ny ekipam-pirenena, taranja baolina kitra (Can 2024). Hanokatra izany i Côte d’Ivoire sy i Guinée Bissau. Hangotraka ny fihaonan’ny roa tonta. Hifantoka atsy Côte d’Ivoire avokoa ny ma­son’izao tontolo izao. Hanomboka amin’ny fomba ofisialy ao amin’ny Stade Ado Ebimpé […]