Hiditra amin’ny ampahavalon-dalana anio, any Toamasina, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja basikety, sokajy latsaky ny 16 taona lahy sy vavy. Efa fantatra ireo hifanandrina, eo amin’ny sokajy vehivavy. Hifandona voalohany ny Lucadro sy ny DCA, tohizan’ny JAP Mada sy ny ACMBA, ny ASSC sy ny Fandrefiala ary ny ASSM […]
Fanatajahantena
Baolina kitra – «Tournoi Fanilo» : Hisokatra amin’ny sokajy U13 sy U17 indray
Manome sehatra ny kilongakely mpiangaly baolina kitra hatrany ny “Tournoi Fanilo”, karakarain’ny Akademia Akamasoa Football. Hiavaka ny andiany fahatelo, satria hivelatra amin’ny sokajy U13 sy U17 indray. Ny hahazoan’ ireo katitakely maneho ny talentany, no tanjona amin’izany. Toy ny fanaony isan-taona, amin’ny fotoam-pialantsasatry ny mpianatra toy izao, mikarakara fifaninanana baolina […]
Fanomanana ny Afrobasket : Hifandona amin’i Mali, Congo, Cap Vert ary Côte d’Ivoire ny Ankoay
Ho feno tanteraka ny fandaharam-potoanan’ny Ankoay, ao anatin’ny fanomanan-tena hiatrehana ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika “Afrobasket 2025”, izay nanomboka ny alatsinainy 7 jolay lasa teo. Ankoatra ny fampivondronana sy fanarazan-tena iraisana, lalao ara-pirahalahiana 4 no miandry ny ekipa malagasy, manomboka ny 11 jolay izao ao Frantsa. Hifandona amin’i Madagasikara voalohany, […]
Gothia Cup 2025: Hisolo tena ny Dream Team FC
Nambaran-dRakotomalala Lanto, filohan’ny Dream Team FC Mada, tamin’ny mpanao gazety, omaly, tetsy Antaninarenina fa handray anjara amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena amin’ny baolina kitra “Gothia Cup 2025”, ho an’ny sokajy zandriny izy ireo. Fifaninanana, hotanterahina any Suède, ny 13 – 19 jolay ho avy izao. Roa taona taorian’ny nitsanganany sambany hiatrika lalao […]
SOMBIM-BAOVAO
Tsy ao anatin’ny lisitry ny Ankoay, miatrika ny fampivondronana hiatrehana ny Afrobasket 2025, i Jerry sy i Donovan ary i Johan. Tsy mbola fantatra mazava ny antony fa raha tsiahivina, anisan’ireo mpilalao nandritra ny fifanintsanana nahazoana ny tapakilan’ny Afrobasket i Jerry sy i Johan. Nanomboka ny alatsinainy 7 jolay lasa […]





