Manana ny lazany ao Anosizato Andrefana ny Balary Stadium. “Fotodrafitrasa natsangana hamolavolana ireo ankizy ho tonga matihanina amin’ny baolina kitra”, hoy Rabekijana Soloariala, tomponandraikitry ny serasera sady “staff téchnique”. Gazety Taratra (*): Inona ny antony nananganana ny Balary Stadium? Rabekijana Soloariala (-): Voalohany indrindra ny fitiavana ilay taranja. Eo koa […]
Fanatajahantena
Kitra maneran-tany : nodimandry ny amperora Franz Beckenbauer
Misaona ny tontolon’ny baolina kitra maneran-tany. Nindaosin’ny fahafatesana tany Allemagne, teo amin’ny faha-78 taonany, ilay kintan’ny kitra alemà, i Franz Beckenbauer, ny alatsinainy lasa teo. Ny aretina efa nitaiza azy hatry ny ela no nitarika izao fodiamandriny izao. Tsy tao Allemagne ihany ny nahafantarana azy fa saika nanerana izao tontolo […]
Coach Rôrô : nanomboka omaly ny fiofanana
Ny alahady lasa teo no nanainga teny Ivato, hihazo an’i Frantsa, Rakotondrabe Romuald Felix na Coach Rôrô, Malagasy mpanazatra ny Barea de Madagascar. Hiatrika fiofanana no anton-dian’ity mpanazatra ity any an-toerana ary efa nanomboka omaly izany. Marihina fa klioba telo no hanaovan’ity Malagasy teknisianina ity fiofanana any an-toerana. Anisan’izany ny […]
Tenisy – “ITF/CAT Southern Africa” : Lavo teo amin’ny manasa-dalana ny Malagasy
Tapitra teo amin’ny manasa-dalana ny dian’ny Malagasy, amin’ny lalao an’olon-droa miaraka, “double”, nandritra ny fifaninanana “ ITF/CAT Southern African Championships 2024”, sokajy junior. Hanomboka anio kosa ny lalao ho an’ireo ekipa. Nihintsana teo amin’ny lalao manasa-dalana, Raharinjanahary Chrystella, vehivavy mpilalao tenisy, omaly. Lavon’ireo vehivavy zimbaboey, i Kuzivaishe Chapepa sy i […]
Pré-qualification-« Afrobasket 2025 : ho avy ireo “expatriés” ny 13 sy 14 janoary
Efa notaterina teto fa nanomboka niatrika ny fampivondronana mikaton-trano, eny amin’ny Cnaps Vontovorona, ny Malagasy mpilalao mandrafitra ny ekipam-pirenena, hifaninana amin’ny Pré-qualification-“ Afrobasket 2025″. Fifaninanana hotanterahina eto Madagasikara, ny 16 hatramin’ny 19 janoary ho avy izao, eny amin’ny Lapan ‘ny fanatanjahantena Mahamasina. Mpilalao miisa 12 mirahalahy izy ireo no mivondrona […]