Handray endrika tsy mbola nisy hatramin’izay ny tontolon’ny baolina kitra an-dRenivohitra manomboka amin’ny 17 aogositra hatramin’ny 21 septambra ho avy izao. Nambaran’ny Team FTF, omaly, fa hiroso amin’ny andiany voalohany amin’ny “Fokontany Tournament and Fiesta” izy ireo. Hetsika goavana mikendry hampivondrona ireo fokontany amin’ny fifaninanana ara-panatanjahantena sy lanonana ara-kolontsaina izany. […]
Fanatajahantena
Rally TMF : Mpanamory 31 hiady lohany
Hanomboka anio, ny dingana faharoa hiadiana ny ho tompondakam-pirenena amin’ny familiana fiarakodia na ny Rally TMF. Fifaninanana karakarain’ny klioba Team Mika Faniry. Mpanamory 31 hiady lohany. Anisan’ny hifampitady amin’izany, ry Mathieu Andrianjafy avy amin’ny Asacm, izay hiova fiara hoentina ka amin’ity hitondra Subaru indray ny tovolahy. Ankoatra azy, eo koa […]
Coupe Internationale de Tanà : Maherin’ny 400 ny mpikatroka handray anjara
Hotontosaina manomboka anio, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny “Coupe Internationale de Tanà”, taranja karate. Efa tonga daholo ny vahiny nasaina ary maherin’ny 400 ny mpikatroka hifaninana. Fifaninanana iraisam-pirenena sambany ho an’ny tantaran’ny karate malagasy ity “Coupe Internationale de Tanà”, hanomboka anio 11 jolay ary haharitra hatramin’ny 13 jolay ity. […]
« Mondial La Marseillaise à Pétanque » : Tompondaka ny ekipa voafantin’ny Malagasy
Nahazo ny laharana voalohany ! Voahosotra ho tompondaka, ny fifaninanana tsipy kanetibe, “Mondial La Marseillaise à Pétanque”, izay natao tany France, ny ekipa malagasy misy an-dry Rakotoarisoa Yves Sédrick sy Razanadrakoto Tiana Laurens ary Rakotoarisoa Lova. Lavon’izy ireo tamin’ny isa, 13 no ho 10 ny ekipa voafantina frantsay, misy an-dry […]
SOMBIM-BAOVAO
Hotontosaina ny 2 hatramin’ny 9 aogositra izao any Toamasina, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja Volley ball, sokajy latsaky ny 16 taona sy latsaky ny 23 taona lahy sy vavy. Ao amin’ny Arena Sport Toamasina no hanaovana ny fifaninanana. Ho feno tanteraka ny fandaharam-potoana mandritra ny “Jamboree National Minibasket” hatao […]





