Fanatajahantena

Tae-kwon-do: lany ho filohan’ny ligy i Franck Tiana

Ora iray sy sasany ny faharetan’ny fivoriambe ara-potoana sy nifidianana izay ho filohan’ny ligin’Analamanga, taranja tae-kwon-do WT, omaly, tao Andravoahangy. Mbola lany hitantana fanindroany Rakotomanana Franck Tiana. Tsy nisy afa-tsy roa ireo kandidà nifaninana: izy sy Rasolofo Herinirina Jocelyn, filoha lefitry ny ligy teo aloha. Tonga nandatsa-bato avokoa ireo seksiona […]

Lomano-Thaïlande: nahazo medaly volamena roa sy volafotsy iray i Tendry

Fahombiazana tanteraka no azon’i Tendrinavalona Tendry Diaritiana, nandritra ny fifaninanana taranja lomano, tany Thaïlande. Medaly volamena roa sy volafotsy iray no norombahiny nandritra izany, teo amin’ny sokajy 50m, 100m ary 200m dos. Tsy vitan’izany fa nahavita nanatsara ny fe-potoana tsara indrindra ihany koa izy tamin’ity fifaninanana ity. Zava-bita tsara indrindra […]

Rugby 2024: feno ny fandaharam-potoan’ny Makis

Hiatrika fifaninanana iraisam-pirenena avokoa ireo Makis de Madagascar, sokajy rehetra, lahy sy vavy, amin’ny taom-pilalaovana 2024. Fotoan’ny asa, araka izany, io taona vaovao io, ho an’ny Malagasy Rugby ka hametrahany fanamby goavana. Tsy misy fotoana hialana sasatra ny Makis de Madagascar, eo amin’ireo fifaninanana iraisam-pirenena hatrehina ho an’ny taona 2024. […]

Kitra – Fifaninanam-pirenena 2024: hanatevina ny «Pro league» ny KFCA sy ny FC Vakina

Ao anatin’ny fanomanana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra D1, ny CFEM, amin’izao fotoana izao. Ho anisan’ireo hanatevina ireo ekipa hiady izany anaram-boninahitra izany ny KFCA Diana sy ny FC Vakinankaratra. Nambaran-dRakotoarimanana Henintsoa (Tôta), filohan’ny Club de foot-ball élite de Madagascar, ny zoma 22 desambra lasa teo, […]

 “Grand Open ABMI”: miisa 149 ireo ekipa nandray anjara

Notanterahina teny amin’ny Boulodrome Para Ivato, ny alahady lasa teo, ny fifaninanana “Grand Open ABMI”, taranja tsipy kanetibe. Nahatratra 149 ny isan’ireo ekipa nandray anjara tamin’izany. Nataon’ny Club amical bouliste Mandrosoa Ivato (ABMI) ho fahatsiarovana an’itompokolahy jeneraly Rarivomanana Tahiry, ity fifanintsanana ity, ary mba ho fanomezana sehatra ireo olona rehetra […]