Hofantatra ny alatsinainy 12 mey ho avy izao ny anaran’ny mpilalao baolina kitra handrombaka ny amboara «Prix Marc Vivien Foe 2025». 12 mirahalahy ireo hiady ho lohany amin’izany. Tsiahivina fa ireo mpilalao mandray anjara amin’ny fifaninanam-pirenena frantsay (Ligue 1) ihany no hany afaka mandray anjara amin’izany. Fifaninanana karakarain’ny France 24 […]
Fanatajahantena
Muay Thai -Maître Gildas : “Mila manaraka ny fenitra iraisam-pirenena i Madagasikara”
Efa tafaverina eto an-tanindrazana ny Tale teknika nasionaly eo anivon’ny Federasionina malagasin’ny Muay Thaï, ny Maître Razanajatovo Gildas, rehefa niatrika fiofanana nandritra ny 45 andro tany Thailande. Nisy ny resadresaka natao taminy. Gazety taratra (+): Tafaverina eto an-tanindrazana ianao, inona ny nentinao avy any Thailande ho an’ny taranja Muay Thai […]
SOMBIM-BAOVAO
Hotanterahina ny alarobia 9 avrily izao, ny “Festival rugby scolaire”. Hatao ao amin’ny Kianja monisipaly Arivonimamo ka sekoly enina no handray anjara amin’izany. Telo avy amin’ny CEG dia Antaboka, Abdon Andriamirado ary Mangatany. Telo lisea dia Johson sy Imerintsiatosika ary Arivonimamo. Fifaninanana tafiditra ao anatin’ny tetikasan’ny Rugby Afrique izy ity. […]
Futsal sokajy vehivavy – Afrique 2025 : Mpilalao 31 voafantina amin’ny Barea Ladies
Na dia mbola tsy misy aza ny fanambarana ofisialy, fantatra izao fa voatendry ho mpanazatra ny ekipa nasionalin’ny Barea, vehivavy, mandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja Futsal, izay hatao any Maroc, ny 22 hatramin’ny 30 avrily ho avy izao, i Mani¬tri¬niaina Steve Princy. Efa nanazatra ireo Malagasy mpilalao […]
Federasionina Taekwondo : Nahemotra ny fifidianana filoha
Araka ny fanadihadiana natao omaly, tsy mbola hotontosaina amin’ity volana avrily ity indray ny fifidianana izay ho filohan’ny Federasionina malagasin’ny taekwondo WT (FMTKD). Raha ny fanazavana azo tamin’ny loharanom-baovao iray, hatao ny 3 mey ho avy izao izany. Antony, mbola mifantoka tsara amin’ilay fifanintsanana izay handraisan’i Madagasikara anjara any Ethiopie, […]




