Fanatajahantena

Rallye : Fantatra ireo isa isaky ny fifaninanana

Mialoha ny hanombohan’ny taom-pilalaovana 2025, amin’ny rallye, navoakan’ny Federasionina sport-automobile malagasy (FSAM), ny fiandohan’ity volana marsa ity, ny isa ho azon’ireo mpifaninana sy ny fetra isa amin’ny rallye iray. Araka ny tapaka nandritra ny fivoriambe niarahana tamin’ireo klioba, fantatra fa hahazo isa 25 ny voalohany amin’ny filaharana ankapobeny, raha 21 […]

SOMBIM-BAOVAO

Ho fantatra anio, any Ihosy, izay ho tompondakan’i Madagasikara eo amin’ny Cross-country, taranja atletisma. Fifaninanana karakarain’ny Fede­rasionina malagasin’ny atletisma. Ankoatra ny fihaonana ho an’ny sokajy Senior, lahy sy vavy, hisy koa ny an’ireo zandriny Junior sy Cadet, lahy sy vavy. Eo koa ny hazakazaka mifampitohy hifanandrinan’ireo mpianatra any an-toerana. Hotanterahina […]

Baolina kitra – PFL : Miato aloha ny fifaninanana

Noho ny fisian’ny lalao hataon’ny Barea de Madagascar, eo amin’ny fiadian-toerana ho an’ny “Mondial 2025”, miato aloha ny fifaninanana hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara (PFL). Na eo aza izany, hatao anio sy rahampitso, manerana an’i Madagasikara ny fihodinana voalohany amin’ny fiadiana ny Yas amboaran’i Madagasikara. Toerana 10 no handray izany […]

“FIBA 3×3 Champions Cup”: Ratsy fanombohana ny ekipa malagasy

Nanomboka omaly, any Thailande, ny fifaninanana “Fiba 3X3 Champions Cup” na Fiadiana ny amboara maneran-tany amin’ny taranja basikety lalaovin’olona 3. Ratsy fanombohana ny ekipa malagasy. Tsy nahomby ny Ankoay, lahy sy vavy, nandritra ny andro voalohan’ny “Fiba 3X3 Champions Cup”, taranja basikety, tontosaina any Bangkok Thailande, nanomboka omaly ary hitohy […]

SOMBIM-BAOVAO

Mitohy hatrany ny fampivondronana ireo mpikatroka tolona izay hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja tolona. Tsiahivina fa ny volana avrily ho avy io ry zareo ny hanao ity fifanintsanana ity. Mari­hina fa manana fikasana ny hitondra mpitolona maro amin’ity fifaninanam-pirenena ity ny federasionina. Efa fantatra avokoa ireo klioba […]