Fanatajahantena

kitra – Antananarivo : ny sabotsy ho avy izao ny fifaninanana

Hotanterahina eny amin’ny kianjan’Ambohidratrimo, ny sabotsy sy ny alahady ho avy izao ny fifaninanana “Grand Tournoi d’Antananarivo (GTA)”, taranja baolina kitra. Araka ny vaovao navoakan’ny ligin’Analamanga, mpikarakara ny fifa­ninanana, dia hisy lalao enina eo eny an-toerana amin’ity faran’ny herinandro ity. Hanokatra izany ny fihaonana eo amin’ny Cosfa sy ny US […]

Tsipy kanetibe : nosazian’ny Federasiona iraisam-pirenena i Amiroudine

Natsahatry ny Federasiona iraisam-pirenen’ny tsipy kanetibe, amin’ny asa maha filohan’ny Federation sport-boule malagasy (FSBM) azy, Andrialemirovason Amiroudine. Tsy misy mpitantana aloha izany ny tsipy kanetibe malagasy. Ny sabotsy 25 novambra lasa teo, nandefa taratasy fampahafantarana tamin’ny Federasiona sport-boule malagasy (FSBM), i Claude Azema, filohan’ny Federasiona iraisam-pirenena (FIPJP), fa voasazy ary […]

African School Football Championship: hanafika atsy Zimbabwe ny kilonga malagasy

Hampiantrano ny fifaninanana afrikanina “African School Football Champion­ship”, taranja baolina kitra, natokana ho an’ny mpianatra, i Harare Zimbabwe. Hotan­te­ra­hina ny 14 ka hatramin’ny 16 desambra izany, araka ny tapaky ny komity mpanatanteraka eo anivon’ny Kaonfe­de­rasiona afrikana ny baolina kitra (CAF). Anisan’ireo handray anjara amin’izany ireo kilonga malagasy. Sambany no hiatrika […]

Basikety – Africa 3×3 : hiaro ny voninahi-pirenena any Egypte ny Ankoay

Taorian’ny taona 2022, tonga indray ity ny fotoana hiatrehan’ny Ankoay ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika 3×3. Efa vonona tanteraka ny ekipam-pirenena malagasy. Nianga omaly teto an-tanindrazana hihazo any Le Caire Egypte ny ekipam-pirenena Ankoay, sokajy lehilahy sy vehivavy. Hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “FIBA Africa 3×3”, taranja basikety, […]