Fanatajahantena

Tsipy kanetibe – «Tournoi des champions» : Hifanandrina ny samy tompondaka maneran-tany

Hiaina fifaninanana goavana ny mpitia ny taranja tsipy kanetibe, afaka herinandro. Hifanandrina ao anatin’ny “Tournoi des champions” ireo efa nandrombaka ny tompondaka maneran-tany sy ny tompondakan’i Afrika. Hifampitady any anaty fifaninanana amin’ny “tir de précision” ihany koa izy ireo. Hangotraka ny fihaonana amin’ny “Tournoi des champions”, eo amin’ny taranja tsipy […]

Basikety N1A: resin’ny GNBC ny MB2All

Niditra tamin’ny andro fahadimy omaly, tany Mahajanga, ny dingana voalohany amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara N1A, taranja basikety, ho an’ny vondrona A. Fihaonana anisan’ny nandrasan’ny maro ny lalao teo amin’ny GNBC Analamanga sy ny ekipa tompondaka, ny MB2All Analamanga, teo amin’ny sokajy vehivavy. Nifandanja ny lalao hatrany am-piandohana ary mbola […]

1/8- « Yas Coupe de Madagascar »: hifanandrina amin’ny As A. Ste Anne ny Mama FC

Notontosaina omaly, tetsy amin’ny orinasa Yas Andra­haro, ny antsapaka nahafantarana izay ho mpifanandrina amin’ny lalao ampahavalon-dalan’ny fiadiana ny amboa­ran’i Madagasikara, taranja baolina kitra « Yas Coupe de Madagascar ». Araka ny tazana, omaly, hifandona amin’io ny klioba samy mifanintsana amin’ny « World Cola PFL », ny Mama FC sy ny AS Avenir Ste Anne. […]

Fanomanan-tenan’ny Barea: avy any ivelany avokoa ny 98% amin’ireo mpilalao nantsoina

Misy mpilalao vaovao, eo ihany koa ireo tafaverina indray ao anatin’ny Barea de Madagascar. Na izany aza, saika mpilalao mpilaravinahitra avokoa ny nantsoin’i Corentin Martins, mpanazatra ny Barea hiatrika ny lalao tsapa any Frantsa, ny volana jona ho avy izao. 24 ireo mpilalao nan­tsoin’i Corentin Martins, mpanazatra ny Barea, hiatrika […]

Fitantanana Spaoro: tanora vonona hizara ny traikefany i Zo

Tanora anisan’ny nanaraka ny fiofanana Cams (Cours avancés en management du sport), Andriambololona Zo Hajanirina ary nahazo ny mari-pahaizana, tamin’ny andiany faha-6 « Fototra » farany teo. Tsy vaovao eo amin’ny tontolon’ny fanatanjahantena izy ary vao haingana no nandrombaka ny medaly volamena, nandritra ny “Open de Saint Denis”, natao tany La Réunion, […]