Fanatajahantena

Jeux corporatifs : Homem-boninahitra ireo nahavitabe

Taorian’ny fiatoana nandritra ny 5 taona noho ny aretina Covid 19, hiverina indray ny «Jeux corporatifs». Fihaonana ho an’ireo mpiasa amina orinasa, karakarain-dRandrianjafitseheno Clément (Clément Rabary), mpanao gazety zokiolona. Andiany faha-28, hotanterahina ny 14 sy 15 jona ho avy izao, eny amin’ny Kianja Vontovorona. Hiavaka ity andiany ity, araka ny […]

Kitra, vehivavy – Mada 2024 : Nanao lalao fitsapana ny Askam Afa sy ny Disciples FC

Hotanterahina ny zoma ho avy izao, any Fianarantsoa, ny dingana famaranan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra, sokajy vehivavy. Ho fiatrehana izany, nanatanteraka lalao ara-pirahalahiana, teny amin’ny Kianja CFFA Iavolo­ha, ny Askam Afa Itasy sy ny Disciples FC Vakinankaratra. Nisaraka ady sahala, 2 no ho 2, ny roa […]

SOMBIM-BAOVAO

Voahosotra ho tompondakan’ny “Coupe de la Ligue Vakinankaratra”, taranja basikety, ny ekipan’ny JEA Vakinankaratra sy ny COSPB Analamanga. Fifa­ninanana notontosaina tany Antsirabe, ny 3 sy 4 mey lasa teo, tao amin’ny Kianja mitafo Vatofotsy. Laharana faharoa kosa ny Ankaratra Vakinankaratra sy ny Ascut Atsinanana. Tontosa ny faran’ny herinandro teo ny […]

Kick -“Fight Night”: Nahazo medaly volamena i Tojo

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tany La Réunion, ny katrok’ady “Fight Night”, taranja kick-boxing. Nanana solontena telo lahy i Madagasikara, izay nalefan’ny Lion Force, nahitana an-dRandriatsiresy Tojoniaina, sokajy latsaky ny 60 kg. Izy izay nandrombaka ny medaly volamena teo amin’ny “combat ceinture” rehefa nandavo ilay teratany renioney, i Refesse Quentin. […]