Fanatajahantena

Tsipy kanetibe – Amboaran’i Madagasikara : Lasan’i Zigle sy ny UBM ny lelavola 2 tapitrisa Ar

Lasan’ny ekipan’ny UBM Analamanga ny amboaran’i Madagasikara teo amin’ny taranja tsipy kanetibe, sokajy “senior”, lehilahy. Mbola noporofoin’i Zigle sy i Tianakely indray ny maha andrarezina azy ireo. Lasan-dry zalahy ny lelavola 2 tapitrisa Ar sy ny amboaran’ny klioba. Tontosa soa aman-tsara tany Antsirabe, ny alahady lasa teo, ny fiadiana ny […]

Rugby- seksionina Marovatana : Tompondaka ny polisy monisipaly

Notontosaina, omaly, teny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny lalao famaranan’ny seksionina Marovatana, taranja Rugby. Voahosotra ho tompondaka tamin’izany ny ekipan’ny polisy monisipaly, rehefa nandresy ny Fifita Anosivavaka Ambohimanarina, tamin’ny isa, 40 no ho 25. Raha hiverenana ny fifanandrinana tamin’ity, nanjakan’ny polisy tanteraka ny fifanandrinan’ny roa tonta. Ry zareo polisy hatrany […]

Mpanazatra Corentin Martins: Hanatrika ny ampahefa-dalan’ny « World Cola PFL »

Araka ny loharanom-baovao iray, ho avy eto an-tanindrazana, hijery ny tohin’ny fifaninanam-pirenena « World Cola PFL », ny mpanazatra ny ekipa nasionaly Barea, i Corentin Martins. Hiditra amin’ny lalao ampahefa-dalana, « Playoffs » ity fifanintsanana ity. Marihina fa fotoana iray izao ahafahan’ny mpanazatra ny ekipa nasionaly mandinika ny mpilalao tokony hanatevina ny Barea A. […]

Taekwondo Malagasy : Lany ho filohan’ny federasionina i Lamina Boto Tsara Dia

Manana olona vaovao hitantana ny Federasiona malagasin’ny taekwondo WT (FMTKD). Kandidà tokana voafidy tamin’izany i Lamina Boto Tsara Dia. Hanomboka ny asa avy hatrany ny tenany. Notontosaina tetsy amin’ny biraon’ny Komity olympika malagasy (COM) Ivan­­dry, ny asabotsy lasa teo, ny fifidiananana izay ho filohan’ny Federasiona malagasin’ny taranja taekwondo WT (FMTKD). […]