Fanatajahantena

SOMBIM-BAOVAO

Tsy anisan’ireo ekipa hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, sokajy vehivavy, U17, ny Yfomac. Araka ny fanazavana nataon’izy ireo afakomaly. Maro amin’ireo mpilalaony no tsy maintsy mifantoka tsara amin’ny fianarana, ka voatery nandray fanapahan-kevitra toy izao ny tomponandraikitry ny klioba. Notanterahina omaly, teny amin’ny Fede­rasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), […]

Rugby Africa Women’s Cup 2025: Mpifanandrina vaovao hihaona amin’ny Makis Ladies i Ouganda

Hampiantrano fifaninanana goavana indray i Madagasikara, ny volana jona ho avy io. Hatao eto Antananarivo ny fifanintsanana “Rugby Africa Women’s Cup 2025”. Afaka hanohana ny Makis Ladies eto an-tanindrazana indray ny Malagasy mpankafy Rugby. Raikitra indray! Hotante­rahina ny 5 hatramin’ny 16 jona ho avy izao, eny amin’ny Kianja Makis Andoha­ta­penaka, […]

SOMBIM-BAOVAO

Nivoaka omaly, teny amin’ny ANS Ampefiloha, ny andiany Hiratra, nanaraka ny fiofanana ho an’ny mpitsara taranja basikety. Mpiofana 39 mianadahy no nahazo ny mari-pankasitrahana nandritra ity fiofanana nokarakarain’ny ligin’Analamanga taranja basikety ity. Hatao eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny 17 mey izao, ny fifaninanana “Lemur Cup”, taranja Jiu-jitsu brezilianina. Ho […]

« Yas Coupe de Madagascar »: Niala an-daharana ny Fosa Juniors

Nahoraka tao anaty tambajotran-tserasera indray ny resaka baolina kitra, omaly. Araka ny vaovao niparitaka, niala an-daharana tsy hiatrika ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, “Yas Coupe de Madagascar 2025”, ny Fosa Juniors Boeny. Araka ny fanadihadiana natao, nilaza ny loharanom-baovao iray eo anivon’ity klioba atsy Boeny ity fa tsy afaka hanatrika […]