Tratra ny tanjona ! Tafita hiatrika ny fifaninanana « Afrobasket 2025 » hatao any Angola amin’ny volana aogositra izao, ny ekipa malagasy, Ankoay lehilahy. Na dia teo aza ny faharesena nanoloana ny Repoblikan’ny Centrafrique, omaly. Ampy nangalan’ny ekipa malagasy Ankoay, ny tapakilan’ny « Afrobasket 2025 », ny fandresena azony, nandritra ny fifaninandrinana tamin’ny faraona an’i […]
Fanatajahantena
Taranja Muay Thaï: Mitrandraka traikefa any Thailande ny DTN, maître Gildas
Tohin’ny fiofanana nampitain-davitra efa narahany amam-bolana maro, izay nanomboka tamin’ny tapatapaky ny taona 2024, miatrika fiofanana matihanina any Thailande, ny Tale teknika nasionaly eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny Muay Thaï, Maître Razanajatovo Gildas. Fiofanana natokana ho an’ny mpitarika sy mpampianatra ny taranja Muay Thaï no hatrehany any an-toerana mandritra ny iray […]
MJS – Toamasina : Manentana ny tanora havitrika ny minisitra
Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy omaly, tao amin’ny Arena Sport Toamasina, ny hetsika “Tanora mandrafitra ny hoavy (TMH)”, izay nokarakarain’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS). Nandritra ny lahatenin’ny minisitra MJS, Marson Moustapha Abdulah, nanentana ireo tanora tsy ankanavaka izy mba havitrika amin’ny fandraisana anjara amin’ireo hetsika misy eto Madagasikara. Araka […]
« Rallye 2025 » : Ilaina ny «licence compétiteur»
Mialoha ny hanombohan’ny taom-pilalaovana 2025 amin’ny hazakazaka fiarakodia «Rallye», tsy maintsy manana kara-pilalaovana ara-dalàna na «licence compétiteur» avokoa ireo mpanamory handray anjara amin’ny fifaninanam-pirenena. Fanomezan-dalana avy amin’ny Féderation sport-automobile de Madagascar (FSAM), izany. Misy karazany io kara-pilalaovana io, ho an’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara. Eo ny kara-pilalaovana nasionaly, natokana […]
SOMBIM-BAOVAO
Hotontosaina rahampitso, eny Mahitsy, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja fiara, kodiaran-droa, Motocross Enduro. Araka ny vaovao navoakan’ny Federasiona malagasin’ny Moto (FMaM), natao « Endurance Cram » ny anaran’ny fifaninanana. Tsiahivina fa ity ny fanokafana ny taom-pilalaovana 2025 ho an’ny sokajy Enduro. Hatao anio, eny amin’ny Akademia nasionalin’ ny fanatanjahantena ANS […]




