Afaka andro vitsy, hivoaka ny valin’ny fitsirihana nataon’ny teknisianin’ny Caf sy Fifa ny Kianja Barea Mahamasina. Ambony ny fanantenana ho an’ny tomponandraikitra malagasy. Miandrandra lalao eo Mahamasina rahateo ny mpankafy baolina kitra. Nifarana omaly ny fitsirihana ny Kianja Barea Mahamasina, nataon’ireo Inspecteur roa lahy avy amin’ny Caf, i Diabete Zakarihya, […]
Fanatajahantena
SOMBIM-BAOVAO
Notontosaina nanomboka ny alatsinainy teo, tany Kameronina, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja Badminton. Anio kosa Ramanana Rahary Lalaina, Malagasy mpilaravinahitra, any France, no hiaka-tsehatra. Tanjony ny hibata medaly iray mandritra ity fifanintsanana ity. Tafakatra amin’ny laharana faha-38 maneran-tany, eo amin’ny sokajy latsaky ny 70kg, Seniors ny judokas malagasy, […]
Trail Ibity andiany fahasivy : Hanampiana ireo zaza tsy ampy sakafo ao Antsirabe
Hotanterahina ny alahady 6 avrily ho avy izao, ny andiany fahasivy amin’ny Trail Ibity. Any amin’ny faritra Vakinankaratra no hanatontosana izany. Ankoatra ny maha fifaninanana ara-panatanjahantena azy, tanjona ny hanangonam-bola hanampiana ireo zaza tsy ampy sakafo mahery vaika, beazin’ny trano fananjariana ara-tsakafo ao Ibity. Tsy hazakazaka fotsiny ny Trail Ibity, […]
Afrobasket 2025 : Ho avy ny 18 febroary i Mathias M’Madi
Efa manomboka tonga tsikelikely eto Madagasikara ireo mpilalao basikety milaravinahitra any ivelany, hiatrika ny dingana faran’ny fifanintsanana “Afrobasket 2025”. Anisan’ny andrasan’ny maro ny fahatongavan’ny andrarezina, i Mathias M’Madi, mpilalao manana ny maha izy azy sy misongadina. Ny talata 18 febroary izao no higadona eto an-tanindrazana i Mathias M’Madi, araka ny […]
Kianja Barea Mahamasina: Haharitra hatramin’ny rahampitso ny fitsirihana hataon’ny Caf
Efa eto an-toerana ireo iraky ny Kaonfederasiona afrikanina (Caf), hijery sy hanara-maso ny kianja Barea Mahamasina. Niasa avy hatrany izy ireo omaly, nitsidika ireo zavatra rehetra notakin’ny Caf. Tonga nitsidika sy nanara-maso ny fanatsarana ny kianja Barea Mahamasina, omaly, ny “Inspecteur” roa lahy avy amin’ny Caf, i Diabete Zakarihya, sy […]




