Hanokatra ny taom-pikatrohana 2015, ny 3 mey izao, amin’ny alalan’ny “randonnée”, ny eo anivon’ny ligin’ Analamanga ny taranja karate. Raha ny mahazatra isan-taona, fifaninanana hatrany no nanombohana ny taona, fa amin’ity kosa hiverina andoharano, izany hoe, hanome lanja ny fanabeazana ny ligin’ Analamanga taranja karate. Izany indrindra no anton’ity hetsika […]
Fanatajahantena
Barea : Hanoman-tena any Frantsa
Araka ny siosion-dresaka mandeha amin’izao fotoana izao, hanao lalao ara-pirahalahiana any Frantsa, ny Barea ny volana jona. Ankoatra ny Repoblika Demokratikan’i Congo (RDC), iray amin’i Guinee Bissau sy i Congo Brazzaville no hifanandrina amin’ny Barea, raha tsy misy ny fiovana farany. Tsy mbola misy ny fanambarana ofisialy nataon’ny Federasionina malagasin’ny […]
Rugby – «Top 12»: Hiady ny amboara ny FTM (Dakar) sy ny Cosfa (Bebaoty)
Hanamarika ity faran’ny herinandro ity, ny famaranana hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara taranja rugby “Top 12”. Hiady izany anaram-boninahitra izany ny Cosfa (Bebaoty) sy ny FTM Manjakaray (Dakar). Hanala vela amin’ity ry zareo Manjakaray. Hifantoka etsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka avokoa ny sain’ny mpitia fanatanjahantena rehetra indrindra fa ny mpankafy […]
SOMBIM-BAOVAO
Hotanterahina ny sabotsy ho avy izao, eny amin’ny kianja Elgeco Plus Stadium, ny fifidianana ireo ankizy, ao amin’ny sokajin-taona 15 taona no ho midina. Izany dia tafiditra ao anatin’ilay fandaharanasa Talent Development Scheme (TDS). Ny teknisianina avy amin’ny federasionina iraisam-pirenena (Fifa) sy ny eo anivon’ny FMF no hisahana izany. Mety […]
Tsipy kanetibe – Amboaran’i Madagasikara: Hatao any Antsirabe ny 2 mey ho avy izao
Hampiantrano ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja tsipy kanetibe ny ligin’i Vakinankaratra. Hotanterahina ny 2 ka hatramin’ny 4 mey ho avy izao izany. Lalao ho an’olon-telo miaraka no hifaninanana amin’izany. Hiady lohany ny sokajy efatra dia ny “senior” lahy sy vavy, ny zandriny “junior” ary ny zokiolona “veterans”. Hanana ny […]





