Fanatajahantena

Judo – «TIMAD»: mpikatroka 80 hifaninana

Raikitra ny fifaninanana «Tournoi International de Madagascar» (TIMAD), ta­ranja Judo, tanterahina eny amin’ny kianja mitafon’An­korondrano, manomboka, anio 26 novambra. Mpika­troka 80 mianadahy ny hifaninana sy hiady ny amboara. Adin’ny Renioney sy ny Malagasy ny hitranga mandritra ny roa andron’ny fifaninanana, tsy tonga tamin’ny ora farany mantsy ry zareo Kaomoriana. 57 […]

Lalaon’ny CJSOI 2022: tsy andrenesam-peo ny minisiteran’ny Fanatanjahantena

9 andro mialoha ny ha­nombohan’ny andiany faha-12, amin’ny lalaon’ny tanora aty amin’ny ranomasimbe Indianina (CJSOI 2022) anio. Fihaonana hotanterahina atsy amin’ny Nosy maorisy ny 4 ka hatramin’ny 11 desambra, ho avy izao. Efa vonona amin’izany avokoa ireo firenena mpifanandrina. Tsy mbola misy resaka kosa hatreto ny an’i Madagasikara. Tsy andrenesam-peo […]

Kitra – «Orange Pro League 2022»: hanala vela amin’ny Fosa Jr ny Ajesaia

Hotanterahina anio asabotsy sy rahampitso alahady ny andro faharoa amin’ny fifaninanam-pirenena, hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara Orange Pro League (OPL 2022). Lalao iray tena andrasan’ny maro ny fihaonana eo amin’ny Fosa Junior Boeny sy ny Ajesaia Bongolava, ho an’ny kaonferansy avaratra. Lalao hotanterahina rahampitso alahady, eny amin’ny kianja Vonto­vorona izany. […]

Karate-Tompondakan’i Afrika: mifanandrina ny COM sy ny minisitera

Samy nampahafantatra ny delegasiona tarihiny avy, hiatrika ny fiadiana ny tomponda­kan’i Afrika any Durban, ny ekipan’ny minisiteran’ny Fanatanjahantena sy ny Komity Olympika malagasy, omaly. Namaly ny ahiahin’ny mpikatroka sy ny mpankafy ny taranja karate, amin’ny fisian’ny federasiona roa eo anivon’ny fitantanana ny taranja karate, omaly 25 novambra, ny minisiteran’ny Tanora […]

Mondial 2022: mihena ny fifantohan’ny mpianatra ao an-dakilasy

Mitana ny sain’ny maro ny fanarahana ny “Mondial 2022” atao any Qatar. Na lehibe na kely, samy tsy misy manaiky fa miady fo hanaraka ireo lalao mandeha amin’ny fahitalavitra. Efa tsapan’ny mpampianatra sahady ny lesoka sy ny voka-dratsin’ny fiaretan-tory sy fifantohana loatra amin’ity lalao ity ho an’ny mpianatra. Lasa adihevitra […]