Na dia mbola tsy misy aza ny fanambarana ofisialy, fantatra izao fa voatendry ho mpanazatra ny ekipa nasionalin’ny Barea, vehivavy, mandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja Futsal, izay hatao any Maroc, ny 22 hatramin’ny 30 avrily ho avy izao, i Mani¬tri¬niaina Steve Princy. Efa nanazatra ireo Malagasy mpilalao […]
Fanatajahantena
Federasionina Taekwondo : Nahemotra ny fifidianana filoha
Araka ny fanadihadiana natao omaly, tsy mbola hotontosaina amin’ity volana avrily ity indray ny fifidianana izay ho filohan’ny Federasionina malagasin’ny taekwondo WT (FMTKD). Raha ny fanazavana azo tamin’ny loharanom-baovao iray, hatao ny 3 mey ho avy izao izany. Antony, mbola mifantoka tsara amin’ilay fifanintsanana izay handraisan’i Madagasikara anjara any Ethiopie, […]
Filaharan’ny Fifa : Mbola aorian’i Comores ny Barea de Madagascar
Namoaka ny filaharan’ireo firenena mpikambana ao aminy, tao amin’ny tambajotran-tseraserany, omaly, ny Federasionina iraisam-pirenen’ny baolina kitra (Fifa). Nanamarika izany ny filaharana misy an’i Comores izay eo alohan’ny Barea de Madagascar. Mipetraka eo amin’ny faha-105 maneran-tany mantsy izy ireo na dia very toerana 2 aza satria teo amin’ny laharana faha-103 teo […]
Baolina kitra : Vonona hizara ny traikefany i Malabary
Nanambara i Hervé Arsène Malabary, ilay Malagasy mpilalao baolina kitra monina any Frantsa, ny alarobia 26 marsa lasa teo, nandritra ilay “Match de gala” natao tetsy Maha-masina, fa vonona ny tenany hizara ny traikefany hampandrosoana ny baolina kitra eto Madagasikara. Raha tsiahivina, mpilalao novolavolaina tao amin’ny AC Sotena Mahajanga i […]
SOMBIM-BAOVAO
Hotontosaina any Vatomandry, ny 18 hatramin’ ny 21 avrily ho avy izao, ny hetsika « Dola Beach », izay karakarain’ny orinasa Yas Madagasikara. Hisy ny fifaninanana ara-panatanjahantena maro any an-toerana. Ao anatin’izany ny rugby beach, ny beach soccer, ny taranja tolona. Hotanterahina ny 15 hatramin’ny 20 avrily ho avy izao, any Espagne, […]





