Tonga nanatanteraka hetsika fambolen-kazo, tany Marohogo, faritra Boeny, ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny Fampandrosoana lovainjafy, Max Andonirina Fontaine, ny sabotsy lasa teo. Tonga nanotrona izany, ny lehiben’ny minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena (MJS), Abdulah Moustapha Marson, izay sady mpiahy ny faritra Boeny. Manoloana ny zava-misy iainan’izao tontolo izao, […]
Fanatajahantena
Mpanazatran’ny Barea : Efa milamina ny fifanarahana, miandry sisa
Hivoaka alohan’ny faran’ny volana ny anaran’ny mpanazatra hitondra ny Barea de Madagascar. Anisan’ireo tsara toerana amin’izany i Corentin Martins. Vita ihany ! Araka ny fanadihadiana natao, omaly, hivoaka amin’ity herinandro ity ny anaran’ny mpanazatra vaovao hitantana ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar. Araka ny filazan’ny loharanom-baovao iray eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny baolina […]
« Diplôme d’Animateur Fédéral »: Dingana ahafahana mampianatra karate
Tanjon’ny Federasiona ny Karate-do Malagasy ny hampiakatra hatrany ny lentan’ny mpikatroka ao aminy. Singa iray anisan’ny hahatratrarana izany tanjona izany ny fananana mpampianatra manana ny maha izy azy sy manana traikefa ary indrindra manana fahalalana miroso manaraka ny eo anivon’ny sehatra iraisam-pirenena. Dingana voalohany mila hatao ny fanarahana ny fiofanana […]
Ping-Pong: Nifindra ao La Cressonnière i Nativel
Araka ny vaovao navoakan’ny gazety iray atsy La Réunion, ny sabotsy lasa teo, nifindra ao amin’ny klioban’ny La Cressonnière, ilay Malagasy mpilalao ping-pong, i Jonathan Nativel. Mandritra ity taom-pilalaovana 2025 ity, no hiarovany indray ny lokon’ity ekipa vaovao hilalaovany ity. Mpilalao tany Frantsa ny lehilahy fahiny ary izao mitodidoha ao […]
Taranja Jiu-jitsu : Manampy ny ankizy hahay hanaja sy hifehy tena
Raha eto Madagasikara, azo lazaina ho taranja mbola zandriny, ny Jiu-jitsu Breziliana. Mbola taona vitsy monja izay no nampidirana azy teto an-toerana ary nivoatra tsikelikely izany. Klioba maro no mampianatra ity taranja ity. Anisan’izany ny Klioba Club 101 Jiu-jitsu. Sokajy rehetra no mianatra ny Jiu-jitsu Breziliana ao amin’ity Klioba ity […]




