Efa tafiditra anatin’ny fanomanana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, tsy misy mpilaravinahitra, ny Barea de Madagascar. Araka ny vaovao voaray, omaly, lavon’izy ireo tamin’ny isa 2 no ho 0 ny ekipa voafantin’i Matsiatra Ambony, tany Fianarantsoa. Nahazo vokatra tsara ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar, omaly, tao amin’ny kianja Ampasambazaha […]
Fanatajahantena
Tenisy ambony latabatra: hiatrika ny fiadiana ny amboaran’i Afrika i Madagasikara
Malagasy mpilalao miisa efatra mianadahy, roa lahy sy roa vavy, no hisolo tena an’i Madagasikara amin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika, taranja tenisy ambony latabatra, “Ping pong”, hatao ny 25 janoary hatramin’ny 2 febroary ho avy izao, any Tunis Tunisie. Raha ho an’ny lehilahy, ireo mpilalao milaravinahitra any ivelany, Razafinarivo Antoine […]
Amboaran’i Afrika Aostraly: tafita amin’ny manasa-dalana ny Akomba de Madagascar
Manohy ny diany mankany amin’ny manasa-dalana amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika Aostraly, taranja tenisy, sokajy 14 taona, vehivavy, ny Akomba de Madagascar. Ratsy kosa ny vokatra ho an’ny ekipan’olon-tokana. Samy nihintsana teo amin’ny ampahefa-dalana avokoa izy ireo. Nitohy omaly, tao amin’ny Kianja Windhoek Namibie, ny andro faharoa hiadiana ny […]
Basikety 3X3: laharana fahadimy aty Afrika ny Ankoay
Namoaka ny filaharan’ireo firenena, eo amin’ny taranja basikety, ny Federasiona iraisam-pirenen’ny basikety (Fiba), omaly. Amin’ny ankapobeny, mitana ny laharana fahadimy aty Afrika ny Ankoay ary laharana faha-52 maneran-tany. Ho an’ny aty Afrika, ao aorian’i Bénin, Algérie, Ouganda, Burkina Faso ary Afrika Atsimo i Madagasikara. Nosongonan’i Bénin sy Afrika Atsimo, araka […]
Basikety- Taom-pilalaovana 2025: hodinihina mandritra ny fivoriambe
Araka ny vaovao voaray omaly, tamin’ireo mpampita vaovao eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny basikety (FMBB), hisy ny fivoriambe ara-potoana hataon’ izy ireo, ny 18 janoary ho avy izao, etsy Mahamasina. Tanjona amin’ity fivoriana ity ny hanaovana ny tatitra amin’ireo ligy ny ezaka efa vita sy ny handaminana ny fandaharam-potoan’ ny taom-pilalaovana […]




