Fanatajahantena

Rugby à 7 – Fifanintsanana JO 2024 : hanainga anio ny Makis de Madagascar

Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny Malagasy Rugby, hanainga anio alakamisy, hihazo an’i Zimbabwe ny Makis de Madagascar, sokajy lehilahy. Hiatrika ny fifanintsanana hiadiana ny tapakila ho an’ny lalao Olym­pika “JO 2024”, tanterahina any Paris Frantsa no anton-dian’izy ireo. 12 mirahalahy no mandrafitra ny ekipam-pirenena malagasy. Mpilalao efa zatra fihaonana iraisam-pirenena […]

Filohan’ny FMF : telo ny kandidà hifaninana

Araka ny fantatra, omaly, teny Isoraka, miisa telo ireo kandidà efa nandefa ny taratasy filatsahan-kofidiny ho filohan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Anisan’izany, ny kandidà fahatelo, Randriamanampisoa Alfred, filoha lefitry ny FMF. “Hiezaka ny hanohy ny tsara vitan’ny teo aloha isika ary hanao tetikasa vaovao entina hampandrosoana ny baolina kitra […]

Basikety-Mada Vétérans: misongadina ny ekipan’ny AT2B Analamanga

Mizotra hatrany ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja basikety sokajy « vétéran » atao any Ambatondrazaka. Misongadina ireo ekipa vaventy, hatramin’izao. Hiditra amin’ny andro fahadimy, anio, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja basikety, ho an’ny sokajy «vé­téran», lahy sy vavy. Fifa­ninanana tanterahina any Ambatondrazaka, ny 10 hatramin’ny 17 […]

Kitra – «Ligue des champions D2 National» : Ekipan’Atsimo Andrefana 2 miray vondrona

Hotontosaina ny 15 ka hatramin’ny 24 septambra ho avy izao, ny dingana faharoa amin’ny fiadiana ny ho tompondakam-pirenena “Ligue des champions D2 National”, taranja baolina kitra. Maha­janga sy Vakinankaratra no toerana hampiantrano izany. 12 ireo ekipa hiady lohany amin’izany, hozaraina ao anaty vondrona roa. Miaraka sokajy, ny GJFT Betania sy […]

Rugby – JO 2024: hidona voalohany amin’i Tunisie ny Makis

Navoakan’ny Rugby Afrique, tao amin’ny tambajotra seraserany, ny alatsinainy lasa teo, ny fandaharan-dalao amin’ny fifanintsanana hiadian-toerana ho an’ny lalao Olympika (JO 2024), ho an’ny rugby, lalaovina olona 7, lehilahy. Fihaonana hotanterahina ao amin’ny kianja Harare Sports Club Zim­babwe, ny 16 sy 17 septambra ho avy izao. Anisan’ireo hiady toerana amin’izany […]