Manana vina ny hiatrika fifanintsanana iraisam-pirenena maro ny Federasiona malagasin’ny taranja tolona (FML), tarihin-dRaveloson Mamitiana. Nambaran’ity lehiben’ny federasiona ity, omaly, fa hiatrika sahady ny fampivondronana ny ekipa nasionaly izy ireo, ny faran’ny volana janoary, ka ireo izay nahazo ny laharana roa na telo voalohany isan-tsokajy tamin’ny fifaninanam-pirenena teo no miatrika […]
Fanatajahantena
Barea de Madagascar: “Sarotra ho an’ny Federasiona ny manendry ny mpanazatra… ?”
Mifamahofaho tanteraka ny resaka ankehitriny, mahakasika ny fanendrena ny mpanazatra hitondra ny ekipam-pirenena malagasy, Barea de Madagascar. Mbola baraingo hatrany ny resaka, ny volana marsa efa akaiky. Herinandro mahery izay no lasa. Hatramin’ny omaly, tsy mbola namoaka fanambarana ofisialy mahakasika izay ho mpanazatra hitondra ny ekipam-pirenena malagasy, Barea de Madagascar, […]
Karate: mpikatroka 121 mivondrona etsy amin’ny ANS
Nisokatra omaly ny taom-pikatrohana 2025, ho an’ny taranja karate. Fampivondronana ireo mpikatroka eo amin’ny sokajy Cadets, Juniors ary Seniors no nanombohana ny taona, ka karatékas 121 no mivondrona etsy amin’ny Akademia nasionalin’ny spaoro (ANS) Ampefiloha. Fampivondronana izay hitohy hatramin’ny alahady 12 janoary izao. Nambaran’ny filohan’ny Federasionin’ny Karate-do malagasy, Ratefinanahary Émile, […]
Chan 2025: nakarin’ny Caf ny volan’ny mpandresy
Miavaka ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina ho an’ny ekipam-pirenena “Chan 2025”, amin’ity. Nampitomboin’ny kaonfederasiona afrikanina baolina kitra (Caf) hatrany amin’ny 75% ny lelavola ho azon’ny ekipa tompondaka, ka hitontaly 10, 4 tapitrisa dolara ny “prize money”, ho an’ity andiany ity. Hahazo 3, 5 tapitrisa dolara ny ekipa […]
Volley-ball: hampiantrano ny CC Z.7 i Maurice
Hampiantrano ny andiany faha-29 amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina, ho an’ny faritra faha-7 (CC Z.7) taranja volley-ball, lahy sy vavy, i Maurice. Fifaninanana ho an’ny ekipa tompondaka lahy sy vavy, sokajy «sénior». Hotanterahina ny 22 febroary ka hatramin’ny 1 marsa ho avy izao izany fifaninanana izany. Raha tsiahivina, […]




