Nifarana omaly zoma 1 septambra ny fifaninanana Kick-boxing, ho an’ny lalaon’ny Nosy, andiany faha-11. Tsara ny vokatra ho an’ity taranja ity, amin’ny ankapobeny. Medaly 14 no norombahan’ny Malagasy, nahitana volamena 8, volafotsy 4 ary alimo 2. Araka io vokatra io, nahazoan’i Madagasikara medaly avokoa ireo sokajy 14, tetsy amin’ny CCI […]
Fanatajahantena
Atletisma – 4×100 m vehivavy: mpanjakan’ny ranomasimbe Indianina ny Malagasy
Nandrombaka medaly volamena indray ny atletisma, tamin’ny alalan’ny 100 m inefatra mifampitohy, sokajy vehivavy. Fihaonana notanterahina omaly, teny amin’ny kianja Alarobia. Noporofoin’ny Malagasy fa izy ireo no mpanjakan’ny hafainganam-pandeha eto amin’ny ranomasimbe Indianina. Nihazakazaka voalohany i Sidonie Fiadanantsoa, izay niavaka avy hatrany ary nanolotra ny «temoin», tamin’i Haingo izay lasa […]
Rugby: Nandravarava ny Makis
Toy ny nanao fanazarantena ny Makis lahy sy vavy nandritra ny andro voalohany amin’ny fifanintsanana, rugby lalaovina olona 7. Fihaonana, natao teny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, omaly zoma. Tsy nisy naharesy mantsy ny Makis. Raha ho an’ny sokajy vehivavy, nomontsanin’ny Makis, tamin’ny isa 33 no ho 0, i Mayotte avy […]
Baolina kitra: hanala vela amin’i La Réunion i Madagasikara
Andro lehibe ho an’ny tantaran’ny Barea de Madagascar ny andro anio. Hiady ny medaly volamena amin’i La Réunion izy ireo. Hotanterahina anio, eny amin’ny kianjan’ny Barea Mahamasina ny famaranana ny taranja baolina kitra, ho an’ity lalaon’ny Nosy 2023 ity. Hifanandrina amin’izany i Madagasikara sy i La Réunion. Araka ny vaovao […]
Karate : niampy volamena 3 ny azon’ny Malagasy
Niditra tamin’ny andro faharoa omaly, ny fifaninanana karate, tetsy amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina, ao anatin’ny lalaon’ny Nosy. Tsy nionona tamin’ny vokatra efa azo ny alakamisy teo, ny mpikatroka malagasy fa mbola nahazo fandresena hatrany, nahazo medaly volamena 3 sy volafotsy 1 indray. Teo amin’ny sokajy vehivavy, karateka malagasy 2 no […]