Tsy niandry ela fa avy hatrany dia hanomboka ny taom-pikatrohana 2025, ny eo anivon’ny ligin’Analamanga, taranja volley-ball. Anio no hanokatra izany amin’ny fomba ofisialy, eny amin’ny Kianja Itaosy izy ireo, ka hisy ny fifaninanana karakaraina. Hiavaka kely ity fifaninanana ity satria lalao ho an’olon-tokana hanaovana ny “Concours de précision” no […]
Fanatajahantena
SOMBIM-BAOVAO
Mitarika, amin’ny fifaninanam-pirenena, eo amin’ny taranja rugby, vehivavy, sokajy D1 ny SCB Besarety. Taorian’ny andro faha-10 natao ny alahady 22 desambra teo, teny amin’ny Kianja Makis, tsy mbola resy mihitsy ry zareo. Nahazo isa 50 ary nahavita «essai» 95. Faharoa ny FTFA, manana isa 35, arahin’ny RCTS amin’ny isa 28. […]
Atletisma: Fihaonana iraisam-pirenena 3 ny tanjona
Feno ny fandaharam-potoan’ny Federasiona malagasin’ny atletisma, amin’ny taom-pilalaovana 2025. Raha eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, 3 no ezahina hotanterahina ka anisan’izany ny fiatrehana ny ho tompondaka maneran-tany «sur piste », ho an’ny sokajy Sénior, lahy sy vavy, tanterahina any Tokyo Japon, izay tsy mbola voafaritra ny fotoana hanatontosana azy. Eo koa ny […]
Baolina kitra – Barea de Madagascar : 90 mn hakana tapakila hiatrehana ny «Chan 2025»
Hifantoka amin’ny lalao baolina kitra hifanandrinan’ny Barea de Madagascar sy i Eswatini avokoa ny sain’ny mpitia fanatanjahantena rehetra, amin’ity faran’ny herinandro ity. Ho fantatra eo izay hahazo ny tapakila hiatrehana ny «Chan 2025 », eo amin’ny roa tonta. Hotanterahina rahampitso alahady, ao amin’ny Kianja Côte d’Or ao Maurice, ny lalao miverina […]
SOMBIM-BAOVAO
Diabe no nanombohana ny fifaninanana “Agnambahy mifety” tontosaina any Farafangana, omaly. Hiditra amin’ny andro faharoa, anio, kosa ny basikety 3×3 ary hanomboka ny andro voalohany ny basikety 5×5. Anisan’ny hifaninanana, anio, ny RBC sy ny ACES ary ny USBM sy ny Fosa. Hofantatra ny faran’ity volana desambra ity, ny anaran’izay […]




