Tsara famaranana ny ekipam-pirenena malagasy teo amin’ny taranja tsipy kanetibe. Fifaninanana, notanterahina teny amin’ny kianja Vontovorona omaly zoma. Nandrombaka medaly volamena 2 mantsy ny olon-telo miaraka lahy sy vavy. Teo amin’ny andriambavilanitra, lavon’i Odile sy i Prisca ary i Mamy niampy an’i Tahina teo amin’ny famaranana, ny ekipa kaomorianina, nahitana […]
Fanatajahantena
Mitohy ny fahombiazana : Medaly volamena 109 ho an’i Madagasikara
Tsy mitsanga-menatra ny Malagasy. Laharana voalohany hatrany eo amin’ny fahazoana medaly volamena. Antenaina hitombo izany amin’ireo ambin-dalao mbola hatrehin’ny atleta. Hifarana rahampitso alahady, ny lalaon’ny Nosy, andiany faha-11, tanterahina eto Madagasikara. Medaly volamena 109, volafotsy 61 ary alimo 73 no eo an-tanan’ny atleta malagasy hatramin’izao. Mbola voatazona ny laharana voalohany […]
Karate : nandraoka medaly volamena 5 ny Malagasy
Tsara fanombohana ny taranja karate, ao anatin’ny lalaon’ny Nosy andiany faha-11, tontosaina etsy amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina. Medaly volamena 5 sy alimo iray no norombahan’ny karateka malagasy, tamin’ity andro voalohany ity. Tsiahivina fa famaranana 6 no nitranga omaly ka fandresena 5 no azon’i Madagasikara. Ny teo amin’ny sokajy Kumite, vehivavy, […]
Lutte libre isan-tarika lahy sy vavy: nifampizarana ny medaly volamena
Nozarain’i Madagasikara sy i La Réunion ary i Maurice, ny medaly volamena teo amin’ny «lutte libre » isan-tarika lahy vavy, teo amin’ny andro farany notanterahina omaly, teny amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano. Lasan’ny Malagasy avokoa ny teo amin’ny sokajy 74 kg, nahitana an’i Bienvenu, i Jessy sy i Joe ary Mitantsoa, niampy an’i […]
Tenisy : Medaly volamena 2 no azon’i Madagasikara
Nifarana omaly 31 aogositra, tetsy amin’ny ACSA Ambohidahy, ny fifaninanana tenisy hoan’ny lalaon’ny Nosy JIOI 2023. Mitotaly sivy, araka izany, ny medaly azon’ny Malagasy tamin’ity taranja ity, 2 volamena, 4 volafotsy ary 3 alimo. Tsiahivina fa lavon’i La Réunion tamin’ny isa 2 no ho 0 isika ho an’ny lalaon’ny ekipa […]