Fanatajahantena

SOMBIM-BAOVAO

Voahosotra ho tompondakan’ny Tama Beach, taranja volley, andiany faha-8, tany Toamasina, ny faran’ny herinandro teo, i Juliette sy i Miangola, ho an’ny sokajy U21, vehivavy. I Brad sy i Allan kosa teo amin’ny U21, lehilahy. Ho an’ny sokajy Seniors, nahazo fandresena i Marina sy i Julienne teo amin’ny vehivavy, ary […]

Semi-marathon : Nanamontsana zava-bita i Kiplimo

Nomontsanin’ilay teratany ogandey, i Jacob Kiplimo, ny zava-bita tsara indrindra maneran-tany eo amin’ny hazakazaka semi-marathon. Nandritra ny fifaninanana natao tao Barcelone Espagne, ny alahady 16 febroary lasa teo. Tontosany tao anatin’ny 56 mn 42 s izany. Natsarain’ity atleta, 24 taona, ity 48 s ny fe-potoan’ilay etiopianina, i Yomif Kejelcha, izay […]

“XXL Smatchin by Be connect” : Nitombo ny isan’ny mpandray anjara

Hotanterahina ny 8 hatramin’ny 16 marsa izao ny “XXL Smatchin by Be Connect”, andiany faha-11. Oniverite 50 hifaninana ary toerana 3 no handray izany. Nitombo ny isan’ny mpandray anjara amin’ity andiany faha-11 ity, araka ny fanazavana nentin’ny mpikarakara. Oniversite 50 no hifaninana, raha toa ka 40 tamin’ny taon-dasa. Araka izany, […]

SOMBIM-BAOVAO

Nanainga omaly, tetsy Ivato, ny delegasiona malagasy, Makis Sevens, lehilahy. Hiatrika ny “Challen­ger Series 2025” izy ireo. Fifaninanana hotanterahina manomboka anio hatramin’ny 10 marsa ho avy izao, any Cape Town Afrika Atsimo. Tsiahivina fa maro ny fanovana natao tamin’ity ekipam-pirenena ity, anisan’izany ny tsy maha eo an’i Hery Zhino, mpilalaon’ny […]

Kung fu Wushu : Mbola nomen’ny ligy fitokisana ny Maître Gao

Nanatanteraka fifidiana­nana ny ho filohan’ny federasiona ny eo anivon’ny taranja kung fu Wushu, ny faran’ny herinandro teo, tetsy 67Ha. Mbola nomen’ny ligy fitokisana Ramaherison José na ny Maître Gao, ka nolanian’ny ligy 7 hitantana ny federasiona mandritra ny 4 taona mana­raka indray. Ligim-paritra 7 (Analamanga, Vakinanka­ratra, Itasy, Atsimo andrefana, Alaotra […]