Mbola manakoako hatramin’izao ny nahazoan’ny ekipa malagasy Ankoay, ny amboaran’i Afrika, taranja basikety 3×3, notanterahina ny herinandro lasa teo. Fandresena izay nisoratra ho tantara ho an’i Madagasikara sy ny tontolon’ny taranja basikety. Nitondra anjara biriky goavana ka nahazoana ny fandresena ihany koa ny mpanohana, anisan’izany ny Star, tamin’ny alalan’ny XXL, […]
Fanatajahantena
Taranja tolona : miisa 160 ireo atleta hifaninana
Hotontosaina manomboka rahampitso hatramin’ny alahady maraina, eny amin’ny Gymnase Ankoay Ankorondrano, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja tolona. Marihina fa tsy misy ny sokajy Séniors amin’ity fifanintsanana iraisam-pirenena ity, fa ny zandriny U17 sy U20 ary U23 ihany no hifanintsanana sy omena sehatra amin’izany. Mahatratra 160 mahery eo ny […]
Baolina kitra, vehivavy – “Cosafa U17”: lavon’i Madagasikara 5 no ho 0 i Namibie
Nahazo vokatra tsara ny ekipam-pirenena malagasy Barea, vehivavy, omaly, tamin’ny andro voalohan’ny “Cosafa U17”. Manana isa telo izy ireo, ary miandry azy ireo i Malawi sy Afrika Atsimo. Notanterahina omaly, tao amin’ny Kianja UJ Soweto Johannesbourg, Afrika Atsimo, ny andro voalohany amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ireo firenena aty amin’ny tapany […]
Muay Thaï- Taona 2025 : 30 mianadahy hitiliana ho ekipa nasionaly
Ho fiatrehana indray ny taom-pikatrohana 2025, ho an’ny taranja Muay Thaï, namoaka lisitra izay hitiliana ny handrafitra ny ekipa nasionaly ny Tale Teknika nasionaly, Razanajatovo Gildas, tamin’ity herinandro ity. Nambaran’ ity Tale Teknika Nasionaly ity fa ireo no vonona hiatrika ny taona 2025, indrindra ny eo amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena. Tamin’ny […]
SOMBIM-BAOVAO
Nandrombaka medaly volamena, Raharvel Jonathan, nandritra ny fifaninanana natokana ho an’ny Oniversite, tany Budapest, Hongrie. Teo amin’ny 100 m brasse no nifaninanany, izay notanterahina ny faran’ny herinandro teo. Hotanterahina ny 7 sy 8 desambra izao, eny amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina, ny “ligue en fête”, karakarain’ny ligin’Analamanga ny taranja basikety. Nisy […]