Fanatajahantena

« Championnat des Nations » – U18 : Norombahan’i Madagasikara ny vehivavy, i Maurice ny lehilahy

Tontosa tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, omaly alahady ny famaranana niadiana ny “Championnat des Nations”, taranja volley-ball sokajy U18 lahy sy vavy, faritra faha-7. Nandrombaka ity andiany voalohany ity, i Mada­gasikara 1 teo amin’ny vehi­vavy ary i Maurice ny lehilahy. Lavon’ny tovovavy malagasy, tamin’ny seta 3 no ho 0 (25/21 […]

Volley-ball U18 vehivavy: Resin’i Mada 1 i Maurice

Niditra tamin’ny andro fahatelo, ny fiadiana ny ho tompondakan’ny firenena na ny «Championnat des Nations», taranja volley-ball, sokajy U18, vehivavy sy lehilahy, ho an’ny faritra fahafito. Fihaonana notanterahina omaly, tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Teo amin’ny U18 vehivavy, resin’i Madagasikara 1 tamin’ny seta 3 no ho 0 (25/22 ; 25/17 ; 25/19), […]

Baolina kitra : Hanazatra ny Al Merrick U23 ny Coach Rôrô

Hanazatra ny ekipa U23 an’ny Al Merrick Soudan, ny Coach Rakotondrabe Romuald (Rôrô), ho an’ny taom-pilalaovana 2026-2027. Hameno ny tsy ampy amin’ny mpilalao maratra na mihena fahaizana ao amin’ny D1 izy. Nitondra fanazavana mahakasika ny handehanany any Soudan, izay niteraka resabe tamin’ny tambajotran-tserasera, Rako­tondrabe Romuald (Coach Rôrô), omaly, teny amin’ny […]

Tsipy kanetibe malagasy : «Misy minia manakoron-tana», hoy ny FSBM

Tsy milamina mihitsy ny tontolon’ny taranja tsipy kanetibe na eo aza ny vokatra azon’ireo ekipam-pirenena ka nandrombahana ny “Mondial 2026”, sokajy “junior”. Mbola mifanolana hatrany amin’ny resaka fitsipika ny klioba sy ny Federasionina malagasy (FSBM). “Misy koa anefa ireo miezaka mandrehitra afo”, hoy ny tomponandraikitra. Raha jerena ivelany, mandeha sy […]

Rugby – Trophy Barthès: Tsy tonga ny Makis sy i Côte d’Ivoire

Hanomboka anio, any Kampala Ouganda, ny fiadiana ny Trophy Barthès, taranja rugby, sokajy “junior”. Tsy anisan’ireo handray anjara amin’izany ny Makis Madagasikara sy ny Elefantan’i Côte d’Ivoire, izay ao anatin’ny “First division” (D1). Raha ho an’ny Malagasy, ny tsy fisian’ny saran-dalana, ny antony tsy nahafahana nandeha. Araka ny fanadihadiana natao, […]