Nangotraka ny fifaninanana volley, teny amin’ny kianja mitafon’Ankatso, omaly. Nampitsanga-mitoetra ny lalaon’i Madagasikara sy La Réunion, indrindra ny teo amin’ny sokajy lehilahy. Seta 3 no ho 1 no nandresen’ny ekipa malagasy ny Réunionais, rehefa samy niady mafy ny ekipa roa tonta. Azon’ny Malagasy ny seta voalohany, 25-19, nitsimbadika anefa ny […]
Fanatajahantena
Taranja tenisy: nampian-dRanaivo Mialy iray ny medaly volamena
Nafana tanteraka ny lalao famaranana, lalao ho an’olon-tokana “simple”, lahy sy vavy tetsy Ambohidahy, omaly. Lasan’i La Réunion ny volamena teo amin’ny sokajy lehilahy, raha toa ka azon’i Madagasikara izany ho an’ny vehivavy. Notanterahina tetsy amin’ny Acsa Ambohidahy, omaly 30 aogositra, ny lalao famaranana ho an’ny taranja tenisy ho an’olon-tokana […]
Tsipy kanetibe – «Tir de précision»: namotsotra medaly volamena roa ny Malagasy
Tontosa omaly, teny amin’ ny kianja Vontovorona ny fiadiana ny medaly volamena, teo amin’ny «tir de précision», fifaninanana mitifitra eo amin’ny taranja tsipy kanetibe, sokajy lehilahy sy vehivavy. Ratsy ny vokatra ho an’ny Malagasy, tsy nisy azon’izy ireo ny medaly volamena, tamin’ity. Teo amin’ny vehivavy, resin’ilay Réunionaise, Isabelle Riviere, teo […]
Lalaon’ny nosy: Medaly volamena 83, volafotsy 50, alimo 61 ho an’i Madagasikara
Miditra amin’ny andro faha-7 anio, ny lalaon’ny Nosy, andiany faha-11. Mbola mitarika eo amin’ny laharana voalohany vonjimaika hatramin’izao i Madagasikara amin’ny fahazoana medaly. Tafakatra 83 ny medaly volamena azon’ny Malagasy, taorian’ny andro faha-6, omaly. 50 ny medaly volafotsy ary 61 kosa ny medaly alimo. Mbola eo amin’ny laharana voalohany hatrany […]
Kitra – Filohan’ny FMF: nasiana sivana ny filatsahan-kofidina
Notanterahina teny amin’ny biraon’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), omaly, ny valandresaka mahakasika ny fifidianana ho filohany. Nilaza ny tomponandraikitra misahana ny fifidianana sy fitarainana eo anivon’ny FMF fa hisy ny sivana ho an’ireo kandidà hirotsaka hofidina sy ho mpikambana « Comité exécutif » (CE). Anisan’ireo sivana takina ny fandraisana ny taratasy fiantohana […]