Tanterahina any Kenya, nanomboka ny alatsinainy lasa teo, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja tenisy, ho an’ny sokajy U14, lahy sy vavy. Anisan’ireo firenena mandray anjara amin’izany i Madagasikara. Eo ho eo ihany ny vokatra ho an’ny mpilalaon’ny Akomba de Madagascar. Teo amin’ny lalao ho an’olon-tokana, vehivavy, resy teo […]
Fanatajahantena
“Afrobasket 2025” : Top 5 amin’ny mpilalao mendrika i M’Madi sy i Sitraka
Nisongadina ny Malagasy mpilalao, nandritra ny dingana faran’ny fifanintsanana amin’ny “Afrobasket” notanterahina ny faran’ny herinandro teo. Tafiditra Top 5 i Mathias M’Madi sy Raharimanantoanina Sitraka. Mbola maresaka sy eny am-bavan’ny maro hatramin’izao ny nahazoan’i Madagasikara ny tapakila hiatrehana ny “Afrobasket 2025”, ny volana aogositra izao, any Angola. Anisan’ny firenena nisongadina […]
Rugby à VII, lehilahy : Hidona i Madagasikara sy i Hong-Kong
Hanomboka anio, atsy Cape Town Afrika Atsimo, ny fiadiana ny “Challenger Series Cup 2025”, taranja rugby, lalaovina olona 7 ho an’ny sokajy Senior, lehilahy. Anisan’ireo firenena handray anjara amin’ izany ny Makis de Madagascar. Efa nanainga omaly ireo mpilalao 12 mirahalahy hiatrika izany fifaninanana izany. Tsiahivina, miray vondrona amin’i Canada […]
SOMBIM-BAOVAO
Notontosaina ny faran’ny herinandro teo, ny andro fahefatry ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra, « World Cola PFL ». Nahazo vokatra tsara nanoloana ny ekipan’ny AS Ste Anne Avenir Anosy, ny Fosa Juniors Boeny, ny sabotsy lasa teo, tetsy amin’ny Kianja CFFA Iavoloha. Lavon’ny Fosa tamin’ny isa, 2 no […]
Karate: Mpiofana 15 haka ny diplaoma DAF
Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy, omaly, teny amin’ny ANS (Académie nationale du sport) Ampefiloha, ny fiofanana ho mpampianatra, ho an’ny taranja karate. Fiofanana hahazoana ny mari-pahaizana DAF (Diplôme d’animateur fédéral). Mpiofana 15 manerana ny Nosy no miatrika izany, haharitra herinandro. Misy ny avy any Fort Dauphin, Fianarantsoa, Vakinankaratra, Alaotra Mangoro ary […]





