Nahazo fahombiazana avokoa ny ekipam-pirenena malagasy Akomba, na teo amin’ny “simple”, lehilahy sy vehivavy. 100% Malagasy ny hihaona amin’ny famaranan’ny “doubles”, vehivavy. Horakoraka sy hafalina no nandraisan’ireo Malagasy mpijery ny Akomban’i Madagasikara, teny Ambohidahy, omaly. Tonga amin’ny lalao famaranan’ny taranja tenisy, ho an’ity lalaon’ny Nosy 2023, andiany faha-11 ity, ny […]
Fanatajahantena
Basikety 3×3 : noraofin’ny Malagasy ny medaly volamena roa
Nampiseho ny tanjany tanteraka ny ekipa malagasy, niatrika ny lalaon’ny Nosy andiany faha-11, taranja basikety lalaovin’olona 3. Noraofin’ny Ankoay avokoa ny medaly volamena, teo amin’ny sokajy lehilahy sy vehivavy, tetsy amin’ny kianja basikety Mahamasina. Nanjaka tanteraka ny Malagasy, hatrany am-piandohan’ny fifaninanana, ho an’ny taranja basikety 3×3. Tsy nisy afa-bela nanoloana […]
Mitohy ny fahombiazana: Tafakatra 56 ny medaly volamena, 22 ny volafotsy 29 ny medaly alimo norombahan’ny atleta malagasy
Laharana voalohany hatrany i Madagasikara amin’ny fahazoana medaly amin’izao lalaon’ny Nosy, andiany faha-11 izao. Niampy 13 ny medaly volamena omaly. Mitohy hatrany ny fahombiazana ho an’i Madagasikara, ao anatin’ny lalaon’ny Nosy andiany faha-11. Tafakatra 56 ny medaly volamena, 22 ny volafotsy ary 29 ny medaly alimo, norombahan’ny atleta malagasy. Misasaka […]
Seho an-tsehatry ny tanora: niara-nankafy ny “Bodu Beru” ny rehetra
Tontosa omaly, teny amin’ ny Arena Ivandry, ny andro faharoan’ny « Volet Jeunesse », na ny seho an-tsehatry ny tanora, mandritra ity lalaon’ny Nosy andiany fahatelo ity. Nisy ny seho an-tsehatra manokana nataon’ny tanora avy ao amin’ny Nosy Maldives, anisan’ny nampahafantarin’ izy ireo tamin’izany ny “Bodu Beru”. Ankoatra izay, nisy ny fampahafantarana […]
Taekwondo : medaly volamena 11 ny azon’i Madagasikara
Notanterahina ny sabotsy sy omaly alahady, tetsy Mahamasina, ny famaranana ny lalao ho an’ny taranja taekwondo, amin’ity lalaon’ny Nosy 2023, andiany faha-11 ity. Miisa 16 ny medaly norombahin’ireo atleta malagasy, ka volamena ny 11, 4 ny volafotsy ary 1 ny alimo. Nafana tanteraka ny famaranana rehetra natao teny an-toerana. Anisan’ireo […]