Fanatajahantena

Kitra : vonona handresy an’i Seychelles ny Barea anio

“Manan-danja ny lalao voalohany amin’ny fifanina­nana toa izao. Eo mantsy ny hahitana ny ho herijika. Noho izany, mila fandresena ny Barea”, hoy Rakotondrabe Romual (Rôrô), mpanazatra ny Barea de Madagascar, omaly, nandritra ny fanazarantena farany teny By-Pass. Nambarany fa vonona ireo mpilalao rehetra nantsoina hiatrika ity lalaon’ny Nosy ity. Raha […]

Lalaon’ny Nosy 2023: hahazo valin-kasasarana miavaka izay mahazo medaly

Nifanome fotoana tetsy amin’ny kianja Barea Mahamasina, omaly, ireo atleta avy amin’ny taranja 17, mandray anjara amin’ny lalaon’ny Nosy, andiany faha-11. Fotoana nitsofan’ny filohan’ny Repoblika rano azy ireo sy nanomezana ny fitaovana rehetra ilaina. Hanomboka anio, ny andiany faha-11 ny lalaon’ny Nosy. Nahazo tsodrano avy amin’ny filoha Rajoelina Andry, ireo […]

Atletisma – «Mondiaux 2023» : Nihintsana i Sidonie

Ratsy ny vokatra ho an’i Sidonie Fiadanantsoa, nandritra ny andiany faha-19 hiadiana ny ho tompondaka eran-tany, taranja fototra atletisma. Fifaninanana, tanterahina any Nemzeti Atletikai Kozpont, Budapest Hongrie. Nihintsana teo amin’ny fifanintsanana izy, teo amin’ny halavirana 100 m misy fefy, natao ny talata lasa teo. Laharana faha-7 no nisy azy, ary […]

Karate : Malagasy telo hitsara amin’ny lalaon’ny Nosy

Fantatra, omaly, nandritra ny lanonana fandraisana ireo delegasiona malagasy niatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, tany Casablanca, tetsy Ivato, fa hanana mpitsara 3 i Mada­gasikara, amin’ny lalaon’ny Nosy, ho an’ny karate. Nam­baran’ny filohan’ny federasiona, Ratefinanahary Emile, fa zava-dehibe no nandehanana tany Casablanca Maraoka, taorian’ny sazy napetraky ny federasiona iraisam-pirenena. Ankoatra […]