Manome lanja hatrany ny taninketsan’ny basikety ny ligin’Analamanga, taranja basikety. Antony nikarakarana ilay fifaninanana “Kid’s Star” ny faran’ny herinandro teo, izay natao teny amin’ny Kianja Barea Mahamasina. Fifaninanana natokana ho an’ny U10 hatramin’ny U12. Nambaran’ny filohan’ny ligy, Andriatsima Hery, fa hoavin’ny basikety rahatrizay ireo katitakely ireo ka mila omena sehatra. […]
Fanatajahantena
Tsipy kanetibe – «Mondial 2025»: Tsy manao fifanintsanana intsony fa tafakatra avy hatrany i Madagasikara
Tafapetraka ao anatin’ny tontolon’ny tsipy kanetibe maneran-tany indray ny anaran’i Madagasikara. Ny Malagasy irery mantsy no firenena nitondra medaly roa nody tamin’ireo nifaninana tany Dijon France, nandritra ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany 2024 lasa teo. Tafaverina an-tanindrazana, ny sabotsy lasa teo, ny ekipam-pirenena malagasin’ny taranja tsipy kanetibe, sokajy lehilahy, avy […]
Tournoi de Noël Basikety: Nivoaka mpandresy ny Etamazaoro
Notontosaina tao amin’ny Kianja Bataillon Médical Ampahibe, ny 10 desambra 2024 teo, ny lalao famaranana taranja basikety, ao anatin’ny « Tournoi de Noël ». Nifanandrina tamin’izany ny tomponandraikitra ambony sy sokajy mifangaro eo anivon’ny Foloalindahy. Ny lalao famaranana voalohany, nihaonan’ny ekipan’ny Etamazaoron’ireo Tafika sy ny Etamazaoron’ny Tafika ana habakabaka. Nivoaka mpandresy tamin’ity […]
SOMBIM-BAOVAO
Hotanterahina ny alahady ho avy izao, any Mahajanga, ny fifanandrinana miverina eo amin’ny Fosa Juniors sy ny Tsaramandroso Formation FC (TFFC). Samy klioba avy any Boeny moa izy ireto, ary mbola manala vela ny TFFC, izay efa nomontsanin’ny Fosa 4 no ho 0, nandritra ny lalao mandroso. Ity fihaonana ity, […]
Rugby – “XXL Top 12” : Adin’ny kartie ny an’ny Tam sy ny Mang’Arts
Hiditra amin’ny andro faha-11 ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby “XXL Top 12”. Fifaninanana hotanterahina rahampitso, etsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka. Hangotraka ny fihaonana eo amin’ny Tam Anosibe sy ny Mang’Arts Manjakaray. Adin’ny samy kartie ny an’ny roa tonta. Hanala vela amin’ Anosibe amin’ity ry zareo Manjakaray. Samy […]




