Notanterahina teny amin’ ny Kianja Elgeco Plus ny andro famaranan’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra, “Poule des As”, sokajy zandriny U20. Voahosotra ho tompondaka ny ekipan’ny Disciples FC Espoir Analamanga, ary nahazo lelavola 8 tapitrisa Ariary izy ireo. Lavon’izy ireo tamin’ny isa 2 no ho 1 ny klioban’ny […]
Fanatajahantena
Baolina kitra-Ocean Indian U15 : Tsy mifanintsana i Nosy Maurice
Hanomboka anio, eny amin’ ny Kianja Elgeco Plus By-pass, ny fifaninanana iraisam-pirenena aty amin’ny ranomasimbe Indianina, sokajy zandriny U15, lahy sy vavy, “Fifa Ocean Indian Tournament.” Nihena ho telo sisa ireo firenena hifanintsana amin’ity andiany voalohany ity, rehefa tsy afaka tampoka i Maurice. Araka izany, i Madagasikara, mpampiantrano sy i […]
Daka an-jorony: Aza tia vao lava toy ny daomy
Ny mpilalao daomy dia manana paikady fa ny famoahana vato vao eny am-pelantanan’ny mpifanandrina no ahafahana mamono azy. Mifanohitra amin’izany kosa nefa ny eo amin’ny fanatanjahantena. Tsy ahitam-bokatra ny fiovaovana matetika. Ekena fa ny ekipa tsy mamokatra mila ovaina saingy aza tia vao lava toy ny daomy. Amin’izao fotoana, mitaintaina […]
“Médecine des sports et de dopage” : mila omena lanja eo anivon’ny federasiona
Tontosa ny zoma lasa teo, tetsy amin’ny Tometal Mahamasina, ny seminera rezionalin’ny ranomasimbe Indiana mahakasika ny “Médecine des sports et de dopage”. Mpiofana 25 teto Madagasikara sy 6 avy amin’ ny nosy rahavavy Kaomoro, Maorisy, Seychelles ary Mayotte no nanaraka ny fiofanana nandritra ny 5 andro. Manam-pahaizana iraisam-pirenena maro sy […]
Sombim-baovao
Maratra ka mety tsy afaka hiakatra kianja mandritra ny volana maro, i Rayan Ponti, Malagasy milaravinahitra ao amin’ny klioban’ny US Orleans France. Araka ny fikarohana natao, omaly, tapaka ny tongony an-kavia, nandritra ny lalao izay notontosaina ny zoma teo, rehefa nifandona tamin’ny ekipan’ny Nancy ny klioba misy azy. Mbola manaitra […]




