Fanatajahantena

Handball – «Mada Jeunes» : nody any amin’ny faritra avokoa ny amboara

Nanjakan’ny ekipa avy any amin’ny faritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja handball, sokajy zandriny, lehilahy “minime, cadet, junior”. Fifaninanana, notanterahina tany amin’ny kianja mitafon’i Boeny, ny 9 ka hatramin’ny 19 aogositra lasa teo. Ho an’ny “minime”, adin’ny samy Ihorombe ny famaranana. Fihaonana nikatrohan’ny Vasia sy ny ASLPNYA. Resin’ny […]

Lalaon’ny Nosy : tonga ny Club M, ekipam-pirenena maorisianina

« Haka ny medaly volamena no tanjon’ i Maurice» hoy nympanazatra Rasoanaivo Fidy. Malagasy mpanazatran’ny Club M, ekipam-pirenena maorisianina. Nigadona tetsy Ivato, ta­min’ny 3 ora sy 15 mn ny ekipam-pirenena maorisianina, taranja baolina kitra, na ny Club M. “Mitovy amin’ny rehetra ny tanjoko dia ny hahazoan’i Maurice ny me­daly volamena, amin’ity lalaon’ […]

Mpanazatra Radafison Jimmy: « Mbola ho sarotra ny lalao miverina »

Nigadona omaly, tetsy amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, ny ekipa malagasy Elgeco Plus. “Mbola sarotra ny lalao miverina, hatao etsy Mahamasina, ny 27 aogositra ho avy izao, saingy hiezaka ny hampitombo avo roa heny ny zava-bita tany Botswana ny Elgeco Plus”, hoy Radafison Jimmy, mpanazatra ny Elgeco Plus, tamin’io fotoana io. Nilaza […]

Golf – « Inter-îles 2023 »: hanomboka anio ny fifaninanana

Hotanterahina manomboka anio hatramin’ny 25 aogositra, eny amin’ny Golf du Rova Andakana, ny fifaninanana “Golf Inter-îles 2023”. Miisa dimy ireo firenena mandray anjara amin’izany. Anisany i Madagasikara, mpampiantrano, i La Réunion, i Maurice, i Mayotte ary i Seychelles. Marihina fa ny Golf, voasokajy anatin’ireo taranja fampirantiana mandritra ny lalaon’ny Nosy […]

Judo-“IBSA World Games” : hifaninana rahampitso i Nampoina, judokas malagasy jamba

Nanainga omaly, nihazo an’i Birmingham, hiatrika ny lalao iraisam-pirenena “multisports” natokana ho an’ny jamba, Rakotoarivelo Nampoina Daniel. Hiakatra an-tsehatra rahampitso izy. Tanteraka ny fanirian’i Nampoina. Hiatrika ny “IBSA World Games”, hatao any Birmingham ity judokas malagasy jamba ity. Rahampitso izy no hifaninana, eo amin’ny sokajin-danja latsaky ny 60 kg. Hotontosaina […]