Ministerana mpiahy ny taranja atletisma amin’ity lalaon’ny Nosy aty amin’ny ranomasimbe Indianina andiany faha-11 ity ny minisiteran’ ny Fampiroboroboana sy fanovàna ny haitao ara-kajy mirindra, ny paositra sy ny fifandraisan-davitra (MNDPT). Rantsa-mangaika ao anatin’ity MNDPT ny Paositra Malagasy. Nitondra ny anjara birikiny ho fanohana ireo atleta manodidina ny 80 isa […]
Fanatajahantena
Kitra – Amboaran’ny Filoha: hiatrika ny famaranana Antananarivo sy Toamasina
Hangotraka ny lalao famaranana, hiadiana ny amboaran’ny Filoha. Fihaonana, hatao etsy amin’ny kianja Barea Mahamasina, rahampitso alahady. Hamarana izany Antananarivo sy Toamasina. Ekipa efa diso mifankahalala tsara satria iray vondrona tany amin’ny fifanintsanana. Nisaraka ady sahala 1 sy 1, tamin’izany. Tsontsorimamba isarahana izany ity famaranana ity. Samy manana mpilalao kalaza sy havanana avokoa ny an-daniny […]
« Mondial » vehivavy2023 : hiady ny amboarabe i Angleterre sy i Espagne
Hotanterahina rahampitso 20 aogositra ny lalao famaranana ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany, taranja baolina kitra, vehivavy. Hiady ny amboara volamena amin’izany i Angleterre sy i Espagne. Fihaonana hatao ao amin’ny kianjan’ny Accor Australie. Araka ny fikarohana natao, hanomboka amin’ny 1 ora atoandro, ora aty amintsika, ny lalaon’ny roa tonta. […]
Kitra – Amboaran’ny kaonfederasiona (CAF) : vonona handresy ny Gaborone FC ny Elgeco Plus
Hitana ny sain’ny rehetra amin’ity faran’ny herinandro ity, ny fiadiana ny amboaran’ny kaonfederasiona, taranja baolina kitra. Fihaonana, hifandonan’ny Elgeco Plus sy ny Gaborone FC, eo amin’ny lalao savaranonando mandroso. Hotanterahina anio sabotsy, manomboka amin’ny 5 ora hariva (ora Malagasy) ao amin’ny kianja Gaborone National Stadium, ny lalao savaranonando mandroso, hiadiana ny amboaran’ny kaonfederasiona (CAF), […]
Mpianatra Toekarena : mikarakara “M’Saoma foot” ny CNTEMAD
Ho fampivondronana ireo mpianatra ara-toekarena, na ny ankehitriny na ireo efa nandalo tao dia hisy ny lalao ara-panatanjahantena, baolina kitra lalaovin’ny olona 7, lahy sy vavy, manomboka ny zoma 25 sy sabotsy 26 ary mifarana ny alahady 27 aogositra izao, etsy amin’ny kianja Paul Minault Androhibe. Ankoatra ity lalao ity […]