Fanatajahantena

Grand Prix Karting : ho fantatra ny alahady ireo tompondaka

Hotanterahina ny sabotsy 14 sy ny alahady 15 desambra ho avy izao ny dingana fahenina amin’ny fifaninanam-pire­nena amin’ny karting na ny “Grand Prix karting”, tohanan’ny Motul ho an’ny taom-pilalaovana 2024. Io no fampahafanta­rana nataon’ny klioba FMMSAM, mpikarakara ny hetsika tamin’ ny mpanao gazety, ny talata lasa teo, teny Ankorondrano. Fifaninanana […]

Kick Boxing-Afrika : Medaly volamena 3 sahady no azon’ny Malagasy

Mandravarava ny Malagasy mpikatroka, taranja kick boxing, any Afrika Atsimo, ao anatin’ny fiadiana ny tompon­dakan’i Afrika, nanomboka omaly. Medaly volamena 3 sy volafotsy iray sahady no azon’i Madagasikara. Tsara fanombohana ny solontena malagasy nan­dritra ny andro voalohan’ ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, kick boxing, omaly, izay hatao any Afrika Atsimo. […]

SOMBIM-BAOVAO

Fifaninanana manaraka eo amin’ny taranja basikety ny lalao natokana ho an’ny orinasa, izay hotanterahina afaka tapa-bolana. Fifaninanana karakarain’ny kaomisionin’ny mpitsara eto Madagasikara, eo ambany fiahian’ny Federasiona malagasin’ny basikety. Fifaninanana hamaranana ny taona 2024 ihany koa. Hosokafana amin’ny fomba ofisialy ny sabotsy 21 desambra izao ny taom-pilalaovana 2025, ho an’ny ligin’Analamanga, […]

Kick boxing-Afrika : mpikatroka 13 hisolo tena ny Malagasy

Nanomboka, omaly, any Afrika Atsimo, ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taranja kick boxing. Tsy diso anjara amin’izany i Madagasikara fa manana solontena hiaro ny voninahi-pirenena. Malagasy mpikatroka 13 mianadahy no nihazo an’i Afrika Atsimo, ny faran’ny herinandro, izay ahitana lehilahy 11 sy vehivavy 2. Sokajy Cadets, Junios ary Seniors no […]