Fantatra ny alahady lasa teo, ny anaran’ireo atleta Malagasy hiaro ny voninahi-pirenena, taranja Basikety 5 x 5 sy 3 x 3, mandritra ny lalaon’ny Nosy JIOI 2023. Hanomboka afaka sivy andro ny lalaon’ny Nosy JIOI 2023, izay hatao eto amintsika, ny 25 aogositra – 3 septambra ho avy izao. Namoaka […]
Fanatajahantena
Amboaran’ny kaonfederasiona : 20 ireo mpilalaon’ny Elgeco lasa any Botswana
Hanainga anio, hihazo an’i Botswana, ny ekipan’ny Elgeco Plus Foot-ball Club. Hiatrika ny lalao savaranonando mandroso, hiadiana ny amboaran’ny kaonfederasiona (CAF). Fihaonana, hikatrohana amin’ny Gaborone United, ny sabotsy 19 aogositra ho avy izao, ao amin’ny kianja Gaborone. 20 ireo mpilalao hiatrika izany. Nanatevina ity ekipan’Analamanga ity i Feno, lohalaharan’ny Ajesaia […]
AS.NA.KU.FU.MA.BEH.MIRAY : niala tsiny tamin’ny federasiona ny Kung fu
Andro vitsy aty aoriana, nanao taratasy fialantsiny ho an’ny filohan’ny federasion’ny Kung Fu ny fikambanana AS.NA.KU.FU.MA.BEH.MIRAY. Voarakitra anatin’izany, izay nosoniavin-dRalaivelomaharavo Albert, filoha amperinasan’ny fikambanana, fa maneho ny fialan-tsiny tanteraka amin’ny Grand Maitre Rakotoarijaona Avoko sy ny fianakaviany ary ireo rehetra nahatsiaro tafintohina tamin’ilay fanambarana nataony, tamin’ny talata 1 aogositra, momba […]
Kitra D2 Nasionaly : 12 ny ekipa tafita amin’ny dingana faharoa
Nifarana ny alatsinainy lasa teo, ny lalao dingana voalohany “Ligue des Champions”-D2 Nasionaly. Ireo telo voalohany isam-bondrona no tafita hiatrika ny dingana manaraka. Tsy anisan’ireo ekipa tafita amin’ny dingana faharoa, fifaninanana “Ligue des Champions” D2 Nasionaly, ny Five FC sy ny FC Rouge Analamanga. Miisa 12 ny klioba hiatrika izany […]
Mondial sokajy vehivavy : notapahin’i Australie ny nofin’i Frantsa
Notanterahina ny sabotsy 12 aogositra lasa teo, ny lalao ampahefa-dalana ho an’ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany « Mondial 2023 », taranja baolina kitra, sokajy vehivavy. Lavon’i Australie, mpampiantrano, tamin’ny fandakana « tirs au but » 7 no ho 6 i France, rehefa nisaraka ady sahala tsy nisy nitoko 0 no ho 0, nandritra […]