Fanatajahantena

Ankoay : Hoavy ireo mpilaravinahitra

Miditra amin’ny fampivondronana mihidy eny amin’ny Cnaps Vontovorona, tamin’ity herinandro ity, ny ekipan’ny Ankoay, lehilahy, ho fanomanana ny dingana faran’ny fifanintsanana ho amin’ny “Afrobasket 2025”. Efa eny an-toerana avokoa ireo mpilalao eto an-toerana. Ny 11 febroary izao kosa no andrasana ny fahatongavan’ireo mpilalao mpilaravinahitra 5 mirahalahy hanatanteraka ny fampivondronana miaraka […]

Badminton – Afrique 2025 : Misy mpilalao avy any Frantsa hanatevina ny ekipa malagasy

Anisan’ireo firenena handray anjara amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja badminton, hatao any Cameroun, i Madagasikara. Mpilalao 6 mianadahy no handeha hiaro ny voninahi-pirenena amin’izany ka misy mpilaravinahitra any Frantsa iray handrafitra ny ekipa nasionaly. Raha tomombana avokoa ny fikarakarana rehetra, anisan’ireo firenena hanatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i […]

SOMBIM-BAOVAO

Hanatanteraka fivoriambe ny eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny taranja Jiu-jitsu Brezi­liana, ny 15 febroary izao. Efa fanao isan-taona izy ity, hanaovana tatitra ny asa vita nandritra ny taona. Eo koa ny hilazana ny fandaharam-potoana rehetra ho amin’ny taom-pikatrohana 2025. Hatao ny 1 hatramin’ny 15 aogositra, any Maha­­janga, ny fifaninanana nasionaly eo […]

Kitra – “Tournoi depiote Fidy” ; Tonga nanatrika ny fifaninanana ny minisitra

Tsy manavaka! Niatrika ny lanonam-panokafana ny fifaninanana baolina kitra, « Tour­noi depiote Fidy », teny amin’ ny Kianja Soavaly, fokontany Fiadanana Soanerana, ny minisitry ny Tanora sy ny fa­natanjahantena (MJS), i Mou­s­tapha Abdulah Marson, afakomaly. Hetsika karakarain’ ny solombavambahoaka voafidy teny amin’ny boriborin­tany fahefatra, Rafidimanana Désiré. Tsiahivina fa ao anatin’ny […]

Fanomanana ny CCC Zone 7 : Hanao « match de défi » ny GNVB

Anatin’ny fiomanana amin’ny fiatrehana ny fiadiana ny amboaran’ny klioba tompondaka eto amin’ny faritra faha-7, taranja volley-ball, amin’izao, ny ekipan’ny GNVB (Gendar­merie nationale de volley-ball), lahy sy vavy. Fifaninanana hatao any Maorisy, ny 1 hatramin’ny 8 marsa ho avy izao. Ho fanamafisana izay fanomanana sy fanazarantena izay, hisy ny “match de […]