Fanatajahantena

Ravatomanga Maminiaina: Filoha vaovaon’ny Federasion’ ny golf malagasy

Nandray ny toerana maha filohan’ny Federasiona malagasin’ ny Golf, afakomaly, Ravatomanga Maminiaina. Goavana ny fanamby napetrany, toy ny fidiran’ny taranja ao anatin’ny kaomity olympika. Hitantana ny Federasiona malagasin’ ny Golf (FM Golf) mandritra ny efatra taona manaraka, Ravato­manga Maminiaina. Name­traka fanamby goavana hampivoarana io taranja io izy. “Mazava ny vina […]

Rugby eny amin’ny kartie : Tanjona ny hiakaran’ireo mpilalao any amin’ny sehatra avo

Nankalazaina teny Ankatso, omaly, ny fahadimy taonan’ny sekoly mpitaiza ankizy amin’ny baolina lavalava, AJS. Nisy ny fifaninanana izay nokarakarain’izy ireo nentina hanamarihana izany. Ireo ekipan’ny kartie no tena nifanintsana teny an-toerana. Taranja iray azo lazaina fa mahavory ny Malagasy maro ny lalao rugby. Nilaza Rakotoniaina Mbola Lalaina Joel, mpitaiza ankizy […]

Taranja tolona – Ekipa nasionaly : Hampivondrona ireo solofo mandimby

Ho fihatrehana ireo fifanintsanana iraisam-pirenena maro, hampivondrona ireo mpikatroka ny Federasiona malagasin’ny taranja tolona (FML), tarihin-dRaveloson Mamitiana. Nambaran’ity lehiben’ny federasiona ity, ny alakamisy lasa teo, tetsy Maha­ma­sina fa hatao eny Ampefi­loha, manomboka anio, ny fa­nomanana ny ekipa nasionaly. Ireo atleta zandriny nahazo ny laharana roa na telo voalohany isan-tsokajy tamin’ny […]

SOMBIM-BAOVAO

Anisan’ny tena mampalaza ny eny Ankatso, ny fisian’ny fifaninanana kartie amin’ny taranja Rugby. Araka izany, misy ny lalao izay karakarain’ny AJS na ny fikambanan’ny tanora mpanao fanatanjahantena, ny alahady ho avy izao, eny an-toerana. Araka ny fikarohana natao miisa fito ny lalao handeha eny an-kianja amin’io fotoana io. Vita tanteraka […]

Karate-“Coupe de Mada enfants”: Hitiliana ny mpikatroka zandriny

Fifaninanana nasionaly hisantarana ny taom-pikatrohana 2025, ho an’ny federasion’ny Karate-do Malagasy, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, sokajy ankizy sy vehivavy. Fifani­nanana hatao ny 1 sy 2 marsa izao, eny amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina. Ho an’ny fifaninanana ho an’ny ankizy, natao izany mba hahafahana mitily ireo atleta zandriny (U8-U10-U12-U14) sy taninketsan’ny […]