Fanatajahantena

Baolina kitra : Lalao miisa 6 hisedrana an’i Corentin Martins

Asa goavana no miandry an’i Corentin Da Silva Martins, mpanazatra ny Barea de Madagasca. Miisa 6 ireo fihao­nana goavana hatrehiny amin’ity taona ity. Lalao hiadiana ny tapakila “Mondial 2026”. Tsy misy fotoana hipetrapetrahana amin’ity taona 2025 ity ho an’ny mpanazatra vaovaon’ny Barea de Madagascar, i Corentin Da Silva Martins. Miisa […]

Kick Boxing-2025: Ady iraisam-pirenena telo miandry ny Malagasy

Feno tanteraka ny fandaharam-potoanan’ny Federa­siona malagasin’ny kick boxing amin’ity taom-pikatrohana 2025 ity, na ny eto an-toerana izany, na ny any ivelany. Anisan’ny goavana ireo fifaninanana iraisam-pirenena telo miandry ny federasiona ary mikasa ny hampandray anjara ny Malagasy mpikatroka amin’izany ny FMKB. Voalohany amin’izany, ny fiadiana ny amboara maneran-tany, andiany faha-10, […]

Judo- « Grand Slam 2025 »: Samy resy tamin’ny fihodinana voalohany i Laura sy i Lova

Nifarana omaly alahady, ny fifaninanana « Grand Slam de Paris », taranja Judo, notanterahina tao amin’ny Arènes de Bercy, tany Paris. Tsy nahomby ny solontena malagasy. Omaly no niakatra tatami ny solontena malagasy, Rasoanaivo Razafy Laura (-70kg) sy Randrianasolo Lova Mahaisoa (-81 kg), tao anatin’ ny fifaninanana « Grand Slam de Paris ». Teo […]

Fifanintsanana Afrobasket 2025: Hanomboka anio ny fampivondronana ny Ankoay

Nifarana ny sabotsy teo, ny kotrana sy ny fanazaran-tena nataon’ny Malagasy mpilalao mandrafitra ny Ankoay, lehilahy, ho fanomanana ny dingana faran’ny fifanintsanana amin’ny « Afrobasket 2025 ». Fanazaran-tena natao teny Imerikasinina sy teny Mahamasina. Nisy mihitsy ny fandaharam-potoana narahan’ireo mpilalao tamin’izany. Hihamatotra izany fanazaran-tena izany, manomboka anio, ka hivondrona eny amin’ny Cnaps […]