Fanatajahantena

Faritra Atsinanana: nitotongana ny tontolon’ny baolina kitra

Mihamihena sy mitotongana ny tontolon’ ny baolina kitra any amin’ny faritra Atsi­nanana, amin’izao fotoana izao. Antony mahatonga izany ny tsy fahampiana sy ny faharatsian’ny kianja filalaovam-baolina. Misy voka-dratsy goavana any amin’ny mpilalao sy ireo tanora maniry ny hivoatra eo amin’io sehatra io izany. Nitotongana ny tontolon’ ny baolina kitra any […]

Mpanazatra ny Barea, roa sisa hisafidianana : i A Da Silva na i Corentin Martins

Raha ny vaovao voaray avy eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), anarana mpanazatra roa sisa no hanaovana safidy amin’ny fitantanana ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar “A”. Miandry ny fanapahan-kevitry ny fanjakana sisa izany. Tsy ho ela dia ho fantatra ny anaran’ny mpanazatra vaovao hitondra ny ekipa nasionaly malagasy, Barea […]

Rugby- Diviziona I: hisy ny fifaninanana hitiliana ny Makis Seven

Raha ny vaovao voaray, omaly, teo anivon’ny Mala­gasy Rugby, hisy ny fifanintsanana lalaovin’olona fito, karakarain’izy ireo. Raha tsy misy ny fiovana, hatao ny 18 sy 19 janoary ho avy izao izany, eny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka. Zava-dehibe tokoa ity fifaninanana ity satria natao hitiliana ireo mpilalao handrafitra ny Makis Seven, […]

Vina 2025: manana ny vinany ireo mpanao fanatanjahantena

Taom-pahombiazana no hirian’ny rehetra amin’ity taona 2025 ity. Misy ny vina sy tanjona ho an’ireto mpitantana sy atleta ireto hahazoana izay fahombiazana izay, toy ny fiatrehana ny fifaninanana iraisam-pirenena sy ny fanatsarana hatrany ny fifaninanana eto an-toerana. -Ho laharana voalohany hatrany amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena rehetra hatrehako, eo amin’ny taranja Judo […]

AFROBASKET 2025: vonona hanatevin-daharana ireo mpilaravinahitra

Hotanterahina ny volana febroary izao ny dingana farany amin’ny fifanintsanana hahazoana ny tapakila ho amin’ny “Afrobasket 2025”, sokajy Seniors. Malagasy mpilalao any ivelany maro no maneho ny fahavononany hanatevin-daharana. Mbola tsy fantatra aloha hatreto izay firenena handray ity dingana farany amin’ny fifanintsanana basikety ity, saingy raha ny vaovao heno dia […]