Notanterahina teny amin’ ny «circuit» Imerintsiatosika, ny sabotsy 25 sy ny alahady 26 jolay lasa teo, ny dingana faharoa amin’ny Slalom Vovoka. Fifaninanana nokarakarain’ny klioba Tac’s. Nanjaka ny ekipazy FMMSAM tamin’ ity. Ny mpanamory avy amin’ izy ireo no nitana ny laharana roa voalohany, teo amin’ny sokajy fiarakodia. Nandrombaka ny […]
Fanatajahantena
Fifaninanana afrikanina : Mikasa haka mpilalao hanatevina azy ny FC Rouge
Klioba hisolo tena an’i Madagasikara any amin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika ho an’ireo klioba, “Coupe de la Confédération Caf”, ny FC Rouge. Araka ny fanadihadiana natao tamin’ny mpanazatra an’ity ekipa ity, Ratolojanahary Fenosoa na ny Coach Feno, omaly, mikasa haka mpilalao miisa fito na valo eo hanatevina azy ireo any […]
Rugby – XXL Top 12: Hanao famaranana ny Cosfa sy ny Uscar
“ Adin’ny samy boaty !” Ny ekipan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, Uscar sy ny an’ny miaramila, Cosfa no tafita hiatrika ny lalao famaranan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, “XXL Top 12”. Raha hiverenana kely ny manasa-dalana rehetra teny Andohatapenaka, ny alahady teo. Ny ekipan’ny Cosfa nandavo ny FTM Manjakaray, tompondaka farany, […]
SOMBIM-BAOVAO
Nigadona an-tanindrazana, omaly, ny delegasionina malagasy avy niatrika ny Nations League Fiba 3X3, taranja basikety, natao tany Botswana, ny herinandro lasa teo. Tsiahivina fa samy laharana faharoa ny Ankoay lahy sy vavy nandritra ity fifaninanana ity, rehefa nahavita ny “step 6”. Medaly alimo roa no azon’ny Malagasy nandritra ny fiadiana ny […]
Tsipy kanetibe – Mondial Junior: Nanainga omaly ny ekipa malagasy
Nihazo an’i Espagne, omaly, ny ekipam-pirenena malagasy sokajy “junior”, taranja tsipy kanetibe. Hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, tanterahina ao amin’ny Kianja Santa Suzana, ny 30 jolay ka hatramin’ny 2 aogositra ho avy izao, izy ireo. Efatra mianadahy no hiaro ny voninahi-pirenena amin’ity dia i Anjara sy i Nomena […]





