Fanatajahantena

Randrianarisoa Rijamanitra: Hotantaraina an-tsehatra ny 30 taona nandihizany

Homarihina amin’ny seho ny niangalian-dRandrianarisoa Rijamanitra ny taranja dihy,  nandritra ny 30 taona sy 25 taona nitsanganan’ny “Dih’Art Madagascar”. Ny alahady 2 aogositra izao no hanaovana izany, eny amin’ny CCI Ivato. Tsy ho avelan-dRandrianarisoa Rijamanitra handalo fotsiny ny fankalazana ny faha-30 taona nandihizany sy ny fa­ha-25 taona nitsanganan’ny “Dih’Art Madagascar”, sekoly mampianatra mandihy […]

Ateltisma – Mada 2026 : Hifantenana izay hanao JIOI

Nambaran-dRandriamahazo Norolalao, filohan’ny Fede­rasionina malagasin’ny atletisma (FMA) tamin’ny mpanao gazety, teny amin’ny Kianja Alarobia, ny zoma lasa teo, fa hotanterahina ny 31 jolay – 2 aogositra ny fifaninanam-pirenena ho an’ny sokajy zandriny. Ny 7 – 9 aogositra kosa ny an’ny sokajy rehetra. Hanana ny lanjany lehibe izany satria hifantenana izay […]

Tenisy – “Davis Cup” : Tafakatra amin’ny vondrona fahefatra ny Malagasy

« Tanteraka ny fanamby! » Tafita ao amin’ny vondrona fahefatra amin’ny fifanintsanana Davis Cup aty amin’ny faritr’i Afrika ny ekipam-pirenena malagasy. Nahazoan’izy ireo izany ny fandresena, tamin’ny isa 2 no ho 1, ny ekipa nasionalin’i Gabon. Raha hiverenana kely ny fifanandrinan’ny roa tonta, somary sahirana teo amin’ny fihaonana voalohany ny Malagasy, rehefa […]

Baolina kitra – “Yas Coupe 2026”: Solontenan’i Madagasikara ho any Afrika ny FC Rouge

Fantatra fa ny ekipan’ny FC Rouge no hisolo tena an’i Madagasikara any amin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika, ho an’ireo klioba. Resin’izy ireo tamin’ny famaranana ny ekipan’ny AS Ste Anne. Ny ekipan’ny FC Rouge izany no hisolo tena an’i Madagasikara any amin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika, “Coupe de la confédération Caf […]

Kitra – Yas Coupe 2026 : Hiady izay ho any Afrika ny FC Rouge sy ny Ste Anne

“Iza no hisolo tena ny Mala­gasy atsy Afrika”? Ho fantatra anio, etsy amin’ny Kianjan’ny Elgeco Plus, ny anaran’izay ekipa ho solontenan’ny Malagasy amin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika ho an’ny klioba, “Coupe de la Confédération Caf”. Ny eki­pan’ny FC Rouge sy ny AS Ste Anne no hiady ny tapakila hazahoana izany […]