Ny sabotsy lasa teo, nandefa taratasy any amin’ny filohan’ny Federation international de pétanque et jeu provençal (FIPJP), ny mpitantana ny tsipy kanetibe malagasy (Federation sport-boule malagasy). Ho setrin’ny tsy famelana ny ekipam-pirenena malagasy handray anjara amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany ho an’ny sokajy “junior”, lehilahy sy “senior”, vehivavy, takiny […]
Fanatajahantena
Basikety 3×3: manoman-tena fatratra ny Ankoay
Higadona afaka tapa-bolana ny fiadiana ny amboaran’i Afrika, taranja basikety 3×3, handraisan’i Madagasikara anjara. Fifaninanana hotanterahina any Le Caire Egypta, ny 1 hatramin’ny 3 desambra ho avy izao. Samy handray anjara avokoa ny Ankoay lahy sy vavy ary efa fantatra ireo firenena iray vondrona aminy. Araka ny hita etsy amin’ny […]
JJB – “Open d’Afrique” : nandrombaka medaly 28 ny Malagasy mpikatroka
Fahombiazana tanteraka no azon’ny Malagasy solontena niatrika ny “Open d’Afrique”, andiany faha-5, taranja Jiu-Jitsu, natao tany Maorisy, ny sabotsy 18 novambra lasa teo. Medaly 28 be izao no noraofin’ny Malagasy. Tsy nisy nody maina fa samy niambozona medaly avokoa izy 18 mianadahy niverina teto Madagasikara. Nisy tamin’izy ireo aza no […]
“Orange challenge U17”.: hanao ny famaranana ny AS Jet Mada sy ny AS Etoile Filante
Notanterahina omaly, teny amin’ny Kianjan’Alarobia, ny lalao manasa-dalan’ny fifaninanana baolina kitra, “Orange challenge U17”. Tafita amin’ny famaranana, izay hatao ny alahady ho avy izao, eny an-toerana ihany, ny ekipan’ny AS Jet Mada sy ny AS Etoile Filante. Raha hiverenana ny manasa-dalan’izy ireo, lavon’ny AS Jet Mada tamin’ny fandakana “tirs au […]
Kitra – Fifanintsanana «Mondial 2026»: Vonona handresy ny Les Sao, Tchad ny Barean’i Madagasikara
Ho tanterahina anio any Maroc lalao, hihaonan’ny Barea de Madagascar sy ny Les Sao-n’i Tchad. Tafiditra amin’ny fiadian-toerana ho an’ny «Mondial 2026» izany. Hitohy anio alatsinainy ny fifanintsanana hiadian-toerana ho an’ny «Mondial 2026 », taranja baolina kitra, ho an’ny faritr’i Afrika. Anisan’ny hiatrika izany ny Barea de Madagascar, milalao ao amin’ny […]




