Fanatajahantena

Basikety-Mada U14 : Tompondaka zazavavy ny Lucadro avy eto amin’ny Faritra Analamanga

Voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara, sokajy U14 zazavavy, taranja basikety, ny Lucadro avy eto Analamanga. Tsy mbola fantatra kosa ny tompondaka ho an’ny zazalahy. Norombahan’ny ekipan’Analamanga, ny Lucadro ny tompondakan’i Madagasikara, sokajy U14 zazavavy, taranja basikety. Resin’izy ireo tamin’ny isa 34 no ho 24 ny ekipan’ny Academics Analamanga, omaly. Laharana fahatelo […]

Barea U20: tsy mandray anjara amin’ny “Lalaon’ny Frankofonia”

Very fanantenana tanteraka ny Malagasy mpitia baolina kitra. Tsy anisan’ireo taranja handraisan’i Madagasikara anjara amin’ny “lalaon’ny Frankofonia”, izay hotanterahina any Kinshasa, RD Congo, ny 28 jolay- 6 aogositra, ny baolina kitra. Araka izany, mijanona eto an-toerana ny Barea de Madagascar U20. Banga iray izany ny vondrona A misy ny Barea, […]

Rugby- seksiona Avaradrano ; Kandidà roa hifaninana ho filoha

Raha tsy misy ny fiovana, ho tanterahina ny zoma 4 aogositra ho avy izao, ao amin’ny ivontoeram-piofanana Andohatapenaka, ny fifidianana ho filohan’ny seksiona Avaradrano, taranja rugby. Kandidà roa ihany no hany nametraka antontan-taratasy sy nahafeno ny fepetra dia Radimilahy René sy Andrianarivao Sitraka Nantenaina. Notsiahivin’ny tomponandraikitra eo anivon’ny Malagasy rugby […]

Lalaon’ny Nosy-COJI : afa-po amin’ny fanomanana ireo Nosy rahavavy

Higadona afaka iray volana ny lalaon’ny Nosy hotanterahina eto Madagasikara. Nitondra fanazavana mahakasika ny fanomanana sy ny fandaminana rehetra ny Tale mpanatanteraka eo anivon’ny COJI, Rakotozafy Rosa. Maneho ny fahafaham-pony koa ireo Nosy rahavavy. Efa manomboka mivezivezy mandamina ny fivahinianana sy mijery ny fikarakarana sy fanomanan’i Madagasikara ny lalaon’ny Nosy, […]

Basikety- Mada U14 : hiditra amin’ny ampahefa-dalana, anio

Hifarana afaka roa andro ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, latsaky ny 14 taona lahy sy vavy, taranja basikety, tanterahina eny amin’ny Kianja Barea Maha­masina. Fantatra omaly, ireo ekipa hiatrika ny dingana ampahefa-dalana amin’ny anio. Ho an’ny sokajy vehivavy, hiatrika ny ampahefa-dalana, ny ekipan’ny SAC, Luca­dro, FBC, Mb2All, BAS, CBF, JAP […]