Hiavaka tanteraka ny lanonana fanokafana sy famaranana ny lalaon’ny Nosy, hatao eto Madagasikara. Sinoa manam-pahaizana 8 mianadahy no hanampy ny Malagasy teknisiana amin’izany. Nigadona teto Madagasikara, ny fiatombohan’ity herinandro ity, ireo sinoa manam-pahaizana 8 mianadahy, hiantoka ny fandavorariana ny lanonana fanokafana sy famaranana ny lalaon’ny Nosy, andiany faha-11. Hijanona eto […]
Fanatajahantena
«Moto On road – Mada 2023» : tompondaka i Mickael Heriniaina
Notanterahina tany Andranomanelatra Antsirabe, ny alahady lasa teo, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara “2ème manche”, taranja “Moto on road”. Voahosotra ho tompondaka tamin’ity hetsika “Liqui Moly Drag Racing” ity, i Heriniaina Mickael, nitondra ny Moto Yamaha MT10. Araka ny fanazavana voaray tamin’ny mpikarakara, izy no nahazo ny “meilleur cumul […]
Kitra – Fifaninanana afrikanina : tsy handray anjara ny Fosa Jr noho ny lalaon’ny Nosy
Tsy manana solontena amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika ny Malagasy. Tsy afaka miatrika izany ny Fosa Junior FC na ny AS Fanalamanga. Notendrena hanao ny amboaran’i Afrika ny Elgeco Plus. Tohina tanteraka ny rehetra raha nandre ny fanambarana nataon’ny klioba Fosa Junior FC Boeny sy ny Federasiona malagasin’ ny […]
Taorian’ny fanambaran’ny Filoha : namoaka ny lisitr’ireo mpikatroka karate hanao ny JIOI ny federasiona
Nambaran-dRajoelina Andry, filoham-pirenena malagasy fa misy ary afaka mandray tsara ny lalaon’ny Nosy, JIOI 2023, i Madagasikara. Taorian’io, namoaka ny lisitr’ireo mpikatroka, Karateka, hanao ny fifaninanana ny federasiona FKM. “Ataontsika avo folo heny noho ny tany Maurice ny hatsaran’ny lalaon’ny Nosy eto amintsika”, hoy ny filoha Rajoelina Andry, ny alahady […]
« Festival Alefa Parkour »: hiavaka ny andiany faharoa
Hotanterahina ny 21 hatramin’ny 23 jolay izao, etsy amin’ny Parvis Analakely, ny fifaninanam-pirenena Festival “Alefa Parkour”, andiany faharoa. Hiavaka tanteraka ny hetsika amin’ity andiany ity, araka ny fanazavan’ny mpikarakara. Anisan’ny hampiavaka ny amin’ity ohatra, ny salan-taonan’ny mpifaninana, izay hisy ny sokajy zandriny, 8 hatramin’ny 14 taona. Toy ny tamin’ny taon-dasa, […]