Tontosa tamin’ny herinandro lasa teo, tetsy amin’ny ANS Ampefiloha, ny katrokady natao hifantenana ny ekipam-pirenena malagasy hiatrika ny Lalaon’ny Nosy JIOI 2023, taranja Kick-boxing. Kickers miisa 50 no nandray anjara avy amin’ny ligim-paritra 8, nahitana ny avy eto Ana-lamanga, Atsinanana, Menabe, Atsimo Atsinanana, Matsiatra Ambony, Atsimo Andrefana, Vakinankaratra, Boeny. Ady […]
Fanatajahantena
Lalaon’ny Nosy: hanomboka ny 15 jolay ny fampivondronana
Araka ny fanadihadiana natao, hanomboka ny 15 na 17 jolay ho avy izao ny fampivondronana ireo atleta rehetra handray anjara amin’ny lalaon’ny Nosy (JIOI 2023). Handray an-tanana izany ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena. Efa nahatonga ny anaran’ireo handrafitra ny ekipam-pirenena avokoa ireo federasiona voakasika amin’izany. Tsiahivina fa 1 volana […]
Lomano -“Mondiaux” : manana solontena roa i Madagasikara
Hatao any Japana, ny 23 hatramin’ny 30 jolay izao, ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany, taranja lomano, 50 metatra. Solontena malagasy i Jonathan sy i Tendry. Tsy diso anjara amin’ny fifaninanana goavana tanterahina any Japana i Madagasikara. Solontena roa no hiaro ny voninahi-pirenena mandritra ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany, […]
Rugby – XXL Top 20: Fantatra avokoa ireo hiatrika ny manasa-dalana
Tontosa omaly, teny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, ireo lalao ampahefa-dalana efatra, hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby “XXL Top 20”. Fantatra avokoa ireo ekipa efatra tafita amin’ny manasa-dalana dia ny FTM Manjakaray, ny Cosfa ny Uscar ary ny 3FB. Nivoaka sempotra ny Uscar vao nandresy ny TFA, tamin’ny isa […]
JIOI 2023 : mahatratra 497 ny atleta hifaninana
Efa samy nilaza ny isan’ny atletany handray anjara amin’ny lalaon’ny Nosy avokoa ireo federasiona tsirairay, na dia mbola eo am-panaovana ny fitiliana aza. Raha natambatra ny isa avy amin’ireo taranja 25, manodidina ny 497 eo ny atleta malagasy hiatrika ny lalaon’ny Nosy 2023, hatao eto Madagasikara, raha tsy misy ny […]