Resin’ny ekipa frantsay teo amin’ny lalao ampahavalon-dalana ny Ankoay ,omaly. 119 no ho 56 ny isa nisarahan’ny roa tonta. Resy tamin’ny isa 119 no ho 56 ny Ankoay, tany Debrecen Hongrie, omaly. Tapitra hatreo ny lalan’i Madagasikara, amin’ny fiadiana ny amboara eran-tany. Noravain’i Frantsa, teo amin’ ny ampahavalon-dalana ny nofinofin’i […]
Fanatajahantena
Fetin’ny fahaleovantena malagasy: nitondra fandresena ho an’i Madagasikara ireo atleta
Nifanindry an-dalana tamin’ny fetin’ny fahaleovantena malagasy, nitondra ny anjara birikiny nanome fandresena ho an’i Madagasikara ihany koa ireo atleta malagasy, niatrika fifaninanana iraisam-pirenena. Ho an’ny taranja Judo, nanao pao-droa, ka nandrombaka medaly volamena roa tamin’ny “Coupe d’Afrique” sy ny “Open d’Afrique”, natao tany Niamey, teo amin’ny sokajy Junior sy sokajy […]
Tenisy – « Davis Cup 2023 »: Mijanona « Groupe V » i Madagasikara
Nihintsana teo amin’ny manasa-dalana ny fifaninanana eran-tany « Davis Cup », izay atao any Kinshasha, ny ekipam-pirenena malagasy, taranja tenisy. Mijanona ao amin’ny “Groupe V” kosa anefa izy ireo. Lavon’i RD Congo, mpampiantrano ny fifanintsanana, tamin’ny isa 2 no ho 1, i Madagasikara, ny sabotsy lasa teo. Teo amin’ny lalao “Simple 2”, […]
“World Cup U19”- Ampahavalon-dalana: I Espagne na i Frantsa no miandry ny Ankoay
Fandresena voalohany ary manan-tantara eo amin’ny tontolon’ny basikety malagasy, ny nandresen’ny Ankoay ny ekipan’i Liban, ny alahady teo, ao anatin’ny fiadiana ny amboara eran-tany, taranja basikety U19. Fifaninanana tontosaina any Debrecen Hongrie. Laharana fahatelo vonjimaika, miaraka amin’ ny Slovenie i Madagasikara, ao amin’ny vondrona B, rehefa resin’i Etazonia ary nandresy […]
Tenisy – « Davis Cup »: hihaona amin’i RD Congo i Madagasikara
Tafita hiatrika ny dingan’ny “Playoff Davis Cup, Groupe V”, taranja tenisy, izay tanterahina any Kinshasa, ny ekipam-pirenena malagasy. Hihaona amin’i RD Congo, voalohany tao amin’ny vondrona C, i Madagasikara, lohany ao amin’ny sokajy B. Lavon’izy ireo, tamin’ny isa 3 no ho 0, ny mpilalaon’i Ouganda, omaly. Teo amin’ny lalao “Simple […]