Fahafaham-baraka ny an’ny Barea beach soccer, izay tsy hiatrika ny lalao afrikanina amin’ny torapasika 2023. Noho ny tsy fahampiana eo amin’ny hoenti-manana, tsy afaka ny handray anjara ny Malagasy. Nambaran’Ambinintsoa Harivelo, filohan’ ny delegasiona malagasy, tetsy amin’ny foibe toeran’ny Komity olympika malagasy (KOM), omaly, fa tsy anisan’ireo ekipa handray anjara […]
Fanatajahantena
Telma Coupe 2023 : hiditra ny ampaha-16n-dalana
Hotanterahina manomboka ny sabotsy 24 sy ny alarobia 28 jona, ny lalao ampaha-16n- dalana ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara « Telma Coupe 2023 », taranja baolina kitra. Hiakatra kianja amin’io fotoana io ireo ekipa mifanintsana amin’ny « Orange Pro League », anisan’izany ny Elgeco Plus, ny CFFA Andoharanofotsy, Uscafoot, AS Fanalamanga Football, Cosfa. Tsiahivina […]
Kitra – Madagascar 0 – 0 Ghana : « Mitovy amin’ i Japana ny Barea de Madagascar »
Taorian’ilay lalao nihaonan’ny Barea de Madagascar sy ny Black Stars Ghana, ny alahady lasa teo, tetsy Mahamasina, naneho ny heviny momba izany ireo vahiny mpitily roa. «Ady sahala ny voka-dalao teo amin’i Ghana sy i Madagasikara. Amiko manokana, tahaka ny mahita ny Samurai Bleu Japon ny mijery ny filalaon’ny Barea […]
Kenpo/MMA-Mada 2023 : mpikatroka 60 mahery handray anjara
Hotontosaina anio alarobia 21 jona sy rahampitso 22 jona, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja Kenpo/MMA (Martial Mixed Art). Ao amin’ny PK 00, Cheminots Antanimena no hanatanterahana izany. Mpikatroka 60 mianadahy eo no handray anjara, izay avy amin’ny faritra Matsiatra Ambony, Analamanga, Vakinankaratra ary Itasy. Araka ny fandaharam-potoana, fandanjana tsy […]
Kick-boxing-JIOI 2023 : niverina omaly ny fampivondronana
Nitohy nanomboka omaly 20 jona ny fampivondronana, ho an’ny taranja kick-boxing. Fanapahan-kevitra noraisina rehefa naverina ho anisan’ny taranja hifaninanana amin’ny lalaon’ny Nosy indray ity taranja ity. Voakasik’izao fampivondronana izao ny sokajin-danja 48kg, 52kg, 56, 60, -65kg, eo amin’ny vehivavy. Ny sokajy 51kg, 54kg, 57kg, 60kg, 63,5kg, 67kg, 71kg, 75kg, -81kg […]