Fanatajahantena

Karate: hivoaka ny 9 jolay ireo handrafitra ny ekipa nasionaly

Nifarana omaly alahady 18 jona, teny By-Pass Am­bo­himanambola, ny fampivondronana fahadimy, hiti­lina ireo karateka handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy, manomana ny lalaon’ny Nosy (JIOI 2023), hatao eto Madagasikara ny 25 aogositra ka hatramin’ny 3 septambra ho avy izao. Hefarana ny faharetan’izany, niarahan’ ireo mpanazatra 6 mirahalahy ary ilay manampahaizana frantsay, i […]

Rugby – XXL Energy Top 20: nivoaka sempotra vao nandresy ny Mang’Art ny Tam Anosibe

Sahirana ny Tam Ano­sibe vao nahazo ny ta­pakila, hiatrehany ny ampahefa-dalana amin’ny fiadiana ny ho tomponda­kan’i Madagasikara, taranja rugby XXL Energy Top 20. Fihaonana, notanterahina omaly alahady 18 jona, teny amin’ny kianja Makis An­dohatapenaka. Efa tany amin’ ny fanalavam-potoana “mort subite”, vao nandresy ny Mang’Arts Manjakaray, ta­min’ny isa 29 no […]

Kitra – «Tournoi des 4 Nations»: resin’ny ekipa Réunionais ny Barea U23

Lavon’ny ekipa voafantin’i La Réunion, sokajy «sénior», tamin’ny isa tokana 1 no ho 0 ny Barea U23, nandritra ny « Tour­noi des 4 nations ». Fihaonana, notanterahina ny sabotsy lasa teo, tao amin’ny kianja Aimé Bergeal Mantes La Ville, Frantsa. Baolina tokana tafiditr’i Damien Ludovic, teo amin’ny fizaram-potoana voalohany. Nosahiranin’ny Bareakely […]